Mihidy amin’ny Faritra rehetra ny Faritra Atsinanana (na Toamasina) ary tsy mianatra ny mpianatra rehetra. Manomboka amin’ny 3 ora tolakandro kosa ny fihibohana eto amin’ny Faritra Analamanga (Antananarivo). Haverina amin’ny laoniny kosa ny fiainana andavanandron’ny mponina ao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony, saingy mbola rarana ny fivoriana mihoatra ny 50.
Anisan’ny fanambarana nataon’i Andry Rajoelina izany, nandritra ny fotoana manokana nilazana ny fepetra mikasika ny ady amin’ny valanaretina coronavirus eto amintsika, teny amin’ny Lapan’Iavoloha.
Isa-tapabolana
Isa-tapabolana moa ny antsika vao misy tompon’andraikitra ambony milaza vaovao sy manentana momba ity valanaretina coronavirus ity. Ny any ivelany anefa dia hita matetika ny Filoha na ny Praiminisitra na ny Minisitra milaza ny zava-misy sy mampahery ny vahoaka sy ny mpitsabo ao aminy.
Dia hiainana 15 andro indray izany izao fepetra vaovao izao ary andrasana afaka tapa-bolana indray ny fepetra manaraka.
Hotokanana atsy ho atsy manko ny laboratoara (vaovao) hanampy ny fitiliana ity valanaretina ity.
Hitombo, araka izany, ny isan’ny fitiliana ho vita, ka arakarak’izany no hakana fepetra hafa.
Eo ampiandrasana izany anefa dia mila mitandrina hatrany ny rehetra.
