HAMEHANA ARA-PAHASALAMANA : Hiverina hihiboka Analamanga

Hiverina amin’ny fihibohana tanteraka ny Faritra Analamanga manomboka ny Alatsinainy ho avy izao. Io no fanapahan-kevitra noraisin’ny Filankevitry ny Minisitra, manoloana ny fihanaky ny valanaretina.

Koa hanomboka ny alatsinainy 06 Jolay ho avy izao indray izany ny 15 andro manaraka, hanarahina ny fepetra vaovao.

Hikatona ny Faritra

Hikatona, noho izany, ny Faritra Analamanga hatramin’ny alatsinainy 20 Jolay ho avy izao, ka tsy azo hivezivezena.

Hisokatra ny mpivarotra

Misokatra ny fivarotam-panafody sy ny fivarotana entana ilaina andavanandro, manomboka amin’ny 6 ora ka hatramin’ny 12 ora antoandro, ary olona iray ihany ao an-trano ihany no tokony hivoaka.

Taxi ihany no miasa

Eo amin’ny fitaterana dia ny taxi ihany no mahazo miasa, ka manaraka ny fepetra : olona telo ihany no ao anatiny. Tsy maintsy ahitana gel ao aminy ary hatao désinfectation isan’andro ny fiara.

Hiato ny fampianarana

Hiato avokoa ny sekoly sy ny toeram-pampianarana rehetra. Holazaina aoriana kosa ny fotoam-panadinana samihafa.

Hitohy ny Filankevitry ny Ministra

Mbola hitohy amin’ity anio ity moa ny Filankevitry ny Minisitra ka hisy ny fanazavana bebe kokoa ireo fanapahan-kevitra noraisina.

Vous aimerez aussi