“HASIN’NY ZAZA MANGA” : Mitsabo amin’ny fomba nentim-paharazana

Trano fitsaboana” Hasin’ny zaza manga” Io no anarana nasalotr’i Rakotondravao Tsy Very Zo Sarobidy ny toerana fitsaboana ireo Olombelona tojo olana eo amin’ny saina, vatana ary ny fanahy, miorina, etsy Manjaka Ilafy. Akaikin’ny EPP Manjaka, faran’ny zotra 126.

“Lova avy amin’ireo Ray aman-dreny nipoirako avy any avaratr’Ivato Imerimandroso (Antanetiben’ny zaza manga) ny fanomezam-pahasoavana ananako eo amin’ny sehatry ny fitsaboana nentim-paharazana mahasahiana ny lafiny fahasalamana (Ireo aretina tsy fantam-pototra) sy ny famahana ireo olana eo amin’ny fiainana (fihariana, fitiavana, fiarovan-tena amin’ny endrika fisomparana, sns)” hoy, i Sarobidy. Ny fampiasana ny ravinkazo, tany, rano ary ny hazo no entin’i Sarobidy mamaha ny olan’ireo mpiara-belona aminy. Ny fanajana ny fomba sy ny fady no antoka lehibe hahafahana mitazona ny “Hasina” koa hahazoana ny fahombiazana eo amin’ny fiainana, hoy, hatrany i Sarobidy. Ity farany izay tsy nionona hatreo amin’ny fandovana ilay fanomezam-pahasoavana fa nandalina ny sehatry ny fitsaboana nentim-paharazana ihany koa.

Ny hanampy hatrany ireo mpiara-belona amin’ny famahana ireo olana mety ho tojo ny isam-batan’olona eo ampamakivakiana ny fiainana, araka izany, no antompisian’ny trano fitsaboana” Hasin’ny zaza manga” tarihan’i Sarobidy, etsy, Manjaka Ilafy. Marihana fa anisan’ ireo “Zaza manga” nanana fahaizana manokana amin’ny fomba fiarovana amin’ny havandra, ny varatra ary nanampy ireo mpitolona tamin’ny fanamboarana ny “Ody bala” tamin’ny taona 1947 ny Dadaben’i Sarobidy. Ity farany izay anisan’ny mpikambana mandrafitra ny biraon’ny “ANTM” Fikambanana ivondronan’ireo mpisehatra amin’ny fitsaboana nentim- paharazana eto Madagasikara.

Vous aimerez aussi