Hetsika ara-barotra roa samihafa kanefa ho hita amin’ny toerana midadasika iray ny « Foire Internationale de l’Agriculture, de la pêche et de l’élevage » na ny « FIA » sy ny « Festival Internationale de la Gastronomie » na ny « FIG », amin’ity taona 2025 ity. Ny 4 ka hatramin’ny 7 septambra ho avy izao, eny amin’ny efitrano fandraisana fivoriam-be na ny « CCI » Ivato no hanatanterahan’ny orinasa « Madavision » izany.
Tanjon’ny tompon’andraikitra mpikarakara ny hanolo-tanana ireo tantsaha mpamokatra mba hahitan’izy ireo lalam-barotra raha eo ihany koa ny hitondra anjara biriky amin’ireo karazana orinasa misy eto Madagasikara izay misehatra amin’ny fanamboarana sakafo sy ny manodidina izany. Ireo tantsaha mpamokatra izay vao avy nioty ireo vokatra ka mivarotra izany vaovao ka tonga dia afaka mividy izany vokatra vaovao izany eny am-potony avy hatrany ireo orinasa mpiantsehatra mila izany. Afaka mifamelona tsara araka izany ny roa tonta satria mifampila. Io fiaraha-miasa io no fanambin’ny orinasa “Madavision” amin’ireo tantsaha mpamokatra sy ireo orinasa mila izany. Ny 80°/° amin’ny Malagasy izay tantsaha mpamokatra avokoa eto amintsika. Heverina araka izany fa izao fiarahan-dalan’ny hetsika “FIA” sy ny “FIG” izao dia tohana ho an’ireo tantsaha mpamokatra mba hoentina hanatsarana ny asa fiharian’izy ireo andavanandro raha entina hanampiana ireo orinasa misehatra amin’ny fanamboarana sakafo sy ny tontolony ihany koa.
Vina apetraky ny orinasa “Madavision” izay tompon’andraikitra mpikarakara ity hetsika ara-barotra ity ny hampiakarana amin’ny ankapobeny ny toe-karem-pirenena. Nisy ny fivoriana voalohany niarahan’ny orinasa “Madavision” sy ireo rehetra handray anjara amin’ity hetsika ara-barotra ity, teny Antanimena, ny 18 jolay 2025, araka ny fanazavan’ny tale jeneraly lefitra ao amin’ny orinasa “Madavision”, Rajaonarisoa Ranaivo Koloina.


