HIRA EVANJELIKA : Manao lanja miakatra hatrany ny « GRT »

Ny taona 2019 no nahita masoandro ny Groupe Rahalahy Tahiana. I Tahiana sy ny vadiny Larissa no angady nananana sy vy nahitana ity tarika mampiasa ny gadona mafana (Mihetsika) ho enti-midera ny Ray sy mitory ny filazantsara ity.

Raha toa ka tany anatin’ny rindrina efatra hatrany no nanehoan’izy ireo ny talentany da efa nahatontosa seho evanjelika ankalamanjana ny “GRT”, ny volana lasa teo iny. Nomarihan’I Tahiana fa iny natao, tetsy amin’ny Kianjan’ny Betongolo iny, no fampisehoana vaky sehatra ankalamanjana natrehin’ny tarika. Ekena fa nisy ihany ny lesoka mbola mila harenina sy ho hatsaraina ary efa nakana lesona hiatrehana ny hoavy, hoy izy, fa amin’ny ankapobeny azo ambara ho nanolotra ny kanto sy nampianjaika ny meva ny “GRT” nandritra ny fandraisan’anjaran’izy ireo. Raha tsiahivina efa namoaka kapila mangirana laharana voalohany “Lalam-baovao” ny tarika, ny taona 2021. Mirakitra sanganasa miisa 08 ity santa-bokatra ity. Mampiavaka ary azo ambara ho herin’ny “GRT” ny fananana tononkira mora raisina notakarina avy ao anatin’ny Baiboly ary ny fandrindrana ireo vazo mitaiza fanahy amin’ny fomba tsotra nefa kanto. Ireo rehetra ireo haingoan’ny fitafy maotina, mihaja miampy soradihy tsra rafitra eny an-tsehatra. Ny hanolotra ny tsara indrindra hatrany rahateo no tarigetra ho an’ity tarika ity mba ho voninahitr’Andriamanitra sy ho fanabeazam-boho ary ho fanitarana hatrany ny asa fitoriana ombam-pankalazana ny Tompo.

Vous aimerez aussi