HIRA SY MOZIKA : Miala any ny « Y- G rec Mozik »

Telo mianadahy iray tampo, ahitana an’i Yannick Jenna, Yannick Jenny ary i Gael Yannick. Izay samy mbola ao anatin’ny taom-pisandratany avokoa no mandrafitra ny tarika Y- G rec Mozik. Ny « Y » maneho ny litera voalohany amin’ny anaran’izy telo mianadahy ary mampiseho fa iray ny fototra nipoiran’ireo rantsana eny ambony. Niniana nosoratana ny « Y G rec » mba hanavahana azy amin’ny hafa ary ny « rec » midika ho fandraisam-peo. Ny « Mozik » kosa dia narafitra avy amin’ny fampiasana ireo marim-peo (Notes) izay mandrafitra ny « Solfège ». tsy misy litera « A » ny fiafaran’ny « Mozik » noho ny tsy fisian’ny naoty afaka amoronana ny zanatsoaratra « A ».

Tonga ny fotoana hanatosahan’izy ireo ny talentany ho an’ny mpankafy taorian’ny fanarahana ny fiofanana sy fandalinana ary fanatevenam-pahalalana manodidina ny famoronana hira, fitendrena zavamaneno ary ny fanoratana izany ho soram-peo « Solfège », hoy Rabesaiky Xavier Marie, fantatry ny maro eo anivon’ny habaky ny mozika sy ny hira hoe : « Zoky Doda », iray amin’ireo namorona ilay tarika mpizara « Revy manja, vazo milay ». Ity farany izay tsy mikely soroka amin’ny famolavolana ny talentan’izy ireo sy ny fanatevenana ny lafiny famoronana azo lazaina ho angady nananana sy vy nahitana ny « Y – G rec Mozik ». Mampiavaka azy telo mianadahy ireto ny fampiarahan-dalana eny an-tsehatra ny lafiny fihirana sy ny fitendrena. Miisa 12 ankehitriny ireo mpikambana mandrafitra ny tarika. Nomarihan’i Zoky Doda fa tsy misy idiran’ny tarika teo aloha izay nisy azy ny « Y- G rec Mozik ».

Misandrahaka amin-gadona maroloko toy ny bagasy, salegy, mozika tropikaly, horija betsileo, country, rock, sud af… ny mozika lalaovin’ny « Y- G rec Mozik ». Ampahany amin’ireo bainga voavadik’ity tarika ity ny nanajarian’izy ireo ny hira faneva ho fanandratana olomasina an’i Masim-bavy Marian’i Jesoa Santocanale, mpanorina ny fikambanana Capucine. Azo ambara ho taniketsan’ny mozika malagasy tokoa, araka izany, ny fitsanganan’ny tarika Y- G rec Mozik izay efa afaka manatontosa seho, fanafanana lanonana, cabaret sy ny maro hafa.

Amphany amin’ireo sanganasan’ny « Y – G rec Mozik ».

Vous aimerez aussi