HIRA TEATRALY : Fanabeazana sady fialamboly

Hira teatraly no iantsoana ireo hira nentina nandravahana sy nanomezana aina bebe kokoa ny fomba ilalaovana ny tantara tsangana (teatra).

Misy mason-tsivana

Miavaka ny hira teatraly noho izy nojariana tanteraka tamin’ny fanarahana ny fenitry ny maha zavakanto azy.

Anisan’ny mason-tsivana takiana amin’ny maha hira teatraly  ny sanganasa iray, ohatra ny tsy maintsy hisafidianana fatratra ny hihira azy ireny mba ahafahana manasongadina ilay angolam-peo tena malagasy tsy faheno any amin’ny firenena hafa.

Nahenoana mandrakariva hafatra mafonja sahaza ny isan-tokonana ihany koa ny hira teatraly. Misy ny mivantana no fomba nampitan’ireo mpamorona azy ireny fa tsy vitsy ihany koa ny notakarina avy amin’ny findraman’ilay nanajary ny sanganasa ny hakanton’ny zavaboahary manodidina azy. Tsy niserana kely akory tao an-tsain’ireo mpamokatra ny hira teatraly teto an-kibon’Imerina, araka izany, ny peta-toko na ny zara raha vita eo ampiketrehena sanganasa iray.

Azo ambara ho mampiara-dalana mandrakariva ny mahasoa sy ny mahafinaritra ireo hira teatraly novokarin’ireo andrarezin’ny hira malagasy fahiny. Tsongaina amin’ireny i Andrianary Ratianarivo,  Naka Rabemanantsoa, sns.

Mila ezaka

Mila ezaka goavana miainga avy amin’ireo mandraharaha eo amin’ny sehatry ny zavakanto (minisitera mpiahy ny kolontsaina,  foiben-tserasera, mpanao gazety, mpanano kanto) anefa ny fampitiavana ity karazan-kira ity indrindra ho an’ireo tanora. Ireto farany izay efa donton’ireo “hira zara raha vita” tsy hitondra fahasoavana ho azy ireo akory ny fanjifana azy ireny.

Maika ihany koa ny fijerena ny fomba hoentina mitahiry azy ireny anaty sorampeo (solfezy, solfa) mba tsy hampiova ny fomba netin’ireo mpamorona nanajary ny hira teatraly ary koa ahafahana mitondra azy ireny eo amin’ny tsenan’ny mozika maneran-tany noho izy efa manaraka ny fenitry ny fanoratana mozika. Tokony hifanindran-dalana amin’ieo ihany koa anefa ny fanatontosana seho voatokana ho an’ny hira teatraly; tanjona ho amin’izany ny hahafahana mampita amin’ireo tanora ny soa(no)toavina raiketin’ireo hira voasokajy ho hira taetraly. Ho tanteraka tokoa anie izany !!!

Vous aimerez aussi