Nohon’ny fiaraha-miasa matotra teo anivon’ny governemanta Koreana sy ny governemanta Malagasy, dia nanolotra “ambulance” ho an’ny hopitaly CHD1 Arivonimamo ho an’ity hopitaly ity, ny governemanta Koreana, ka ny alatsinainy lasa teo no natolotra tamin’ny fomba ofisialy ity fiara ity. Nankasitraka ny fanjakana Koreana ny Ministry ny Fahasalamana izay nisolotena ny fitondram-panjakana no sady nandray tamin’ny fomba ofisialy io fiara io. Ankoatra izay, dia nanampy mpiasa valo ao amin’ity hopitaly ity koa ny ministra. Ankoatra ny fiara azon’ny hopitaly dia nanolotra solosaina, “video projecteur”, “imprimente”, “concentracteur d’oxygène” ho an’ny hopitaly ihany koa ny ministra izay tsy nitondra tana-polo, fa nitondra ireo fitaovana ireo avy amin’ny fitondram-panjakana. Mbola nanamafy ny ministry ny fahasalamana fa hanome “materiel d’echographie sy radio” ho an’ny hopitaly ny ministra. Nanentana ireo tompon’andraikitry ny fahasalamana sy ireo mpiasa ny ministra mba hikojakoja sy hanaja ireo fitaovana natolotry ny fitondram-panjakana ireo. Nanamafy ny ministry ny fahasalamam-bahoaka, fa manatona ary manakaiky vahoaka hatrany ny fitondram-panjakana tarihin’ny filoha Andry Rajoelina ary miasa ho an’ny vahoaka, raha ny fanazavany hatrany.
