ISSUP ETSY BEHORIRIKA : Hiditra ny 12 Martsa izao ny mpianatra taona voalohany, faharoa ary fahatelo

Ny 12 Martsa ho avy izao ny fidirana ho an’ireo mpianatra taona voalohany sy faharoa ary fahatelo, ao amin’ny sekoly ambony Issup etsy Behoririka na “Institut Superieur Privée Professionnel”. Nambaran’ny talen’ny sekoly, atoa Ramiandrisoa Lalaina, fa mbola mandray ireo mpianatra taraiky tamin’ny fidirana ny sekoly farany teo ny Issup ary hisy ny fampianarana manokana ho an’ireo mpianatra ireo, raha ny nambarany. Araka ny fanazavany ihany koa, dia ny olona maniry ny hianatra ny “Transit et Douane” ao amin’ny sekoly dia tafiditra ao amin’ny spécialité “Commerce International”. Marihana, fa manana fankatoavana avy amin’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy manana “équivalant” amin’ny fitantan-draharaham-panjakana ny mpianatra ary mahazo ny diplaoma mifandraika amin’izany ary afaka miatrika ny fanadinam-panjakana na “Concours” avy hatrany. Nambaran’ny talen’ny sekoly, fa hisy ny fanohanana ny voka-pikarohana ho an’ireo mpianatra manana ny diplaoma “lisence”, “Géstion Management et Marketing”, “Géstion Ressources Humaine” na GRH. Ho an’ireo mpianatra mianatra ny taranja lalàna indray dia misafidy spécialité 2, dia ny “Droit Public” sy “Droit Privée ». Marihana etoana, fa feno 14 taona amin’ity taona ity no nijoroan’ny sekoly ISSP etsy Behoririka.

Vous aimerez aussi