IVON’NY FANKALAZANA « ALAHAMADIBE 2024 » : Hiara-dalana amin’ny fitokanana ny Lapan’Andriamanandroanio

Ny Talata 09 hatramin’ny Alakamisy 11 aprily ho avy izao no hanamarihana ny fankalazana ny Alahamadibe 2024. Hotanterahana eny amin’ny Doany Mananara Ambatoafahavalo, Antananarivo Atsimondrano. Ny Vondron’ny Mpandala ny Alahamadibe no mikarakara azy ity. Ivon’ny fankalazana « Alahamadibe 2024 » no natao anarany mba hahafahana mampivondrona ireo mitovy fomba fijery manodidina ny Alahamadibe amin’ny toerana iray, hoy ireo mpanomana ny hetsika. Tsiahivina hatrany fa tsy lanonana akory ny « Alahamadibe » fa fomba fanao hoentina mamerin-kasina ary fotoana iray lehibe ihany koa hiresahana amin’ny fanahy sy ho fangataham-pitahiana mba ho soa ho tsara ny famakivakiana ny taona hodiavina. Azo adika tsotra hoe : « Taom-baovao Malagasy » na fanamarihana ny fiandohan’ny taona, araka izany, ny « Alahamadibe ».

Anisan’ny hampiavaka ny « Alahamadibe 2024 » eny Ambatofahavalo, ny fitokanana ny Lapan’Andriamanandroanio. Ity farany izay mpanandron’ny mpanjaka Andrianampoinimerina. Hotanterahana ny harivan’ny Alarobia 10 aprily, hanomboka, amin’ny enina ora hariva, ny fitokanana ara-pomban-drazana ny Lapa « Tranobe » izay mirefy 12 metatra ny halavany ary 07 metatra ny sakany. Marihana fa natao vato ny fototry ny Lapa mba hampateza azy. Hazo avokoa no nanamboarana ny lafin-drindrina efatra ary bozaka ny tafony. Ahitana « andry » miisa telo ao anatin’ny Lapa na « Tranobe » Ny misandratr’andron’ny Alakamisy 11 aprily no hanatanterahana ny fitokanana ny Lapa amin’ny fomba ofisialy (ara-panjakana) Aoka tsy ho hadinoina mandrakariva, fa Antoka iray lehibe hisian’ny firindran’ny fiainam-piaraha-monina izay ahafahana mizotra any amin’ny tena fampandrosoana ny fanajana ireo « Soatoavina ». Indrisy anefa fa isika Malagasy indray no toa mamingavinga sy tsy manisy hasiny ireny lova sarobidy navelan’ireo Razambentsika ireny. Fotoana izao Ramalagasy hanehoana ny « maha izy » antsika fa tsy hitomany randrana manendrika ny hafa lava izao foana e !

Vous aimerez aussi