JIRAMA : Efa diso tafahoatra loatra

Akanjo tsy mipasoka, volo tsy voavoatra, sakafo efa ho simba,… Izany no nentin’i Mirana namonjy Fiangonana, ny alahady voalohan’ny taona teo. Fotoan-dehibe ho azy anefa satria noraisina ho Mpandray ny Fanasan’ny Tompo izy.

Nanomboka ny sabotsy tolakandro tokony ho tamin’ny 1 ora sasany no tapaka ny jiro teny amin’ny toeram-ponenany, eny Anjanahary II S, ary tsy niverina izany raha tsy ny alatsinainy maraina.

Tsy voafehy

N’inon’inona anton’ny fahatapahan-jiro dia azo ambara fa tsy voafehin’ny Jirama ny famerenana izany amin’ny laoniny ao anatin’ny fotoana fohy. Diso tafahoatra loatra ny fotoana niverenan’ny jiro tamin’ity indray mitoraka ity. Tsy i Miarana irery no tao anatin’ny fahadisoam-panantenana lalina fa olona maro dia maro avy amin’ny faritra tsy voatanisa.

Maro ny fetim-pianakaviana no tsy lavorary. Tsy voaisa intsony ny asa fitadiavana tsy natao. Fa nanjaka kosa ny vaki-trano sy ny asa ratsy samihafa noho ny fahamaizinana.

Ny mpanjifa aloha

Tsy ny fanovana ny kaontera velively no anisan’ny vaha-olana tsy hisian’ny herinaratra. Tombotsoa manokana ho an’ny Jirama iny mba tsy hisian’ny halatra ataon’ny mpanjifa. Ny tsy filaharana handoa faktiora no mba tombony ho an’ny mpampiasa jiro.

Fa raha tapaka ny jiro dia mijanona tsy mikorisa koa ny kaontera. Izany tokoa no ara-drariny. Saingy ny jiro mandeha mandava-taona mihitsy no takian’ny mpanjifa ankehitriny. Ny mpanjifa izay efa zatra ny mandoa ny volan’ny Jirama na misy na tsy misy ny fahatapahana. Na misy na tsy misy ny fatiantoka avy amin’ny tsy fisian’izany,…

Mila mpifaninana

Tsy misy afa-tsy ny fisokafana amin’ny orinasa hafa no anisan’ny vaha-olana amin’ity jiro ity. Ny fampidirana orinasa hafa matanjaka afaka mifaninana amin’ny Jirama no ilaina. Nogiazin’ny Fanjakana irery izay nifandimby teto manko ity orinasa ity ka afaka manao izay tiany ny mpitondra.

Raha ny fitsinjovana ny vahoaka no tena tian-katao dia tokony havela hisafidy malalaka amin’izay orinasa tiany hanaovana famandrihana ny rehetra.

Saingy hatreto aloha dia ny « tian-kano tsy tian-kano » no manjaka !

Vous aimerez aussi