ANOSIZATO ANDREFANA : Mpiasa 70 no sempotry ny entom-panafody

Olona miisa 70 no indray nampidiriana tetsy amin’ny vonjy taitra (na urgence), etsy amin’ny  hopitaly HJRA Ampefiloha, ny marainan’ny sabotsy teo.

Fahasemporana noho ny enton’ny ranom-panafody nafafy tao amin’ity orinasa Gama Textile, mpanao tee-shirt sy polo, etsy Anosizato Andrefana ity no anton’izao fahavoazana izao.

Tao amin’ny sampana famelomana aina avokoa no nisy azy rehetra ireo. Na izany aza, tsy nisy ny aina nafoy.

Fofom-panafody

Fofona mahery vaika no nivoaka tao amin’ny orinasa, hoy ireo tra-doza. Tsy teo noho eo anefa no tra-pahavoazana ireo mpiasa fa sahabo ho 10 mn teo vao samy tsy nahatsiaro tena ny ankamaroany, ary voly avokoa ny ratsam-batana rehetra avy eo.

Tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany maraina no nanomboka nitatitra ireo mpiasa tra-doza ny sampana vonjy taitra ary tsy nijanona izany raha tsy tamin’ny 10 ora tany ho any. Ka olona efa sempotra avokoa no nentina tao amin’ny hopitaly. Misy aza no tsy nahatsiaro tena intsony.

Roa sisa no tazomina eny amin’ny hopitaly

Araka ny vaovao farany dia olona roa izay voa mafy sisa no notazomina eny amin’ny hopitaly. Ny sisa kosa  dia afaka namonjy fodiana taorian’ny fitsaboana azy avy.

Andro tsy fiasana no tokony hamafazana ranom-panafody

Ny « oxygène » no voaloham-pamonjena azy ireo, ankoatra ny rano sotroina na alefa amin’ny làlan-drà.

Ny hopitaly ihany aloha no niantoka vonjimaika ny karazam-panafody ho azy ireo, saingy manefa ny lany rehetra tamin’ny fitsaboana ireo mpiasa kosa ireo sinoa tompon’ny orinasa, izay tonga teny an-toerana.

Teny ihany koa ny tompon’andraiki-pahasalamana avy amin’ny Fanjakana, izay nanoritra fa tsy tokony hatao ny famafazana ranom-panafody mamono bibikely raha tsy amin’ny fotoana tsy iasan’ny mpiasa.

Vous aimerez aussi