Tsy diso anjara tamin’ny fankalazana ny fetin’ny Noely sy ny farany taona ary ny taom-baovao ireo sahirana ara-pivelomana eny amin’ny kaominina Ampitatafika. Nampisitrahan’ny Ben’ny tanàna, Ramparaoelina Rado sy ireo mpiara-miasa aminy, vary, menaka, paty sy vovo-tsavony ary Milay be, ireo niangaran’ny vintana ireo.
Ny alarobia 31 desambra 2025 no nanatontosana izany teny amin’ny foiben-toeran’ny orinasa “MATEZA TOLES” sy “MATEZA FOAM”. Ireto orinasa ireto rahateo no angady nananana sy vy nahitana izao hetsika ara-tsosialy izao miaraka amin’ny asa sosialy efa fanaon’ny kaominina hatramin’izao. Hatramin’izay niorenan’ny orinasa teny an-toerana izay dia laharam-pahamehana ho azy ireo ny mitondra anjara biriky amin’ny kaominina. Tsy sambany araka izany ny fanoloran-tanana fa efa fanaon’ny orinasa mba hanampiana ny kaominina.
Niisa 360 ireo olona sahirana ara-pivelomana ireo izay notsongaina avy amin’ireo fokontany 13 ao anatin’ny kaominina Ampitatafika.Tanjona tamin’izao fanohanana izao ny mba hahafahan’ny rehetra niatrika ny fety. Manoloana izao fotoam-pahavaratra izao dia efa vonona ny kaominina Ampitatafika handray an-tanana ireo tranoina raha misy ny fiakaran’ny rano eny amin’ity kaominina ity, araka ny fanazavana voaray.


