KAOPERATIVA NASIONALY AO MATSIATRA AMBONY : Mitaky ny hanokafana ny lalan’izy ireo

Nandritra ny fanolorana fanampiana azy ireo, avy amin’ny Governoran’ny faritra Matsiatra ambony, no nanambaran’ireo tompon’andraikitry ny fitanterana nasionaly sy rezionaly any an-toerana fa vonona ny hanaraka ny fitsipika mipetraka mikasika ny mbola tsy hisokafan’ny zotra nasionaly sy rezionaly izy ireo ary ho sarotiny amin’ireo mpitatitra hafa izay mitady hirika ihany tsy hanajana izany fepetra izany izay niaraha-nanaiky. Nampanantena moa ny governora fa raha toa ka tsy hahitana soritra an’ity valan’aretina coronavirus ity intsony any an-toerana dia hangataka ny hamahana ny faritra ny tenany. Hiankina betsaka amin’ny fanajan’ny tsirairay ny fepetra nefa ny fanatanterahana izany. Mahakasika ny tosika fameno any an-toerana kosa dia hizara izany ho an’ireo olona rehetra efa nisoratra anarana ara-dalàna ireo tompon’andraikitra amin’ity herinandro ity.

Vous aimerez aussi