KFIM NIHAONA TAMIN’NY SADC : Nanamafy ny hisian'ny dinika eo amin'ny samy Malagasy

Ny hisian’ny dinika eo amin’ny samy Malagasy dia anisany tokony himasoana, io no nohantintranterin’ny Filohan’ny KFIM, Rabevahiny Elia, raha nihaona tamin’ny SADC, izy ireo.

Tsy miankina amin’ny SADC rahateo ny vahaolana maharitra ho antsika Malagasy fa isika Malagasy ihany no hamaha ny olantsika. Ny KFIM dia manamafy fa misokatra amin’ny adihevitra hatrany izy ireo mba hamahana ny krizy miverimberina eto amin’ny firenena. Tokony hajanona ny kajikajy politika maloto. Henatra ho antsika Malagasy izany indrindra fa eo imason’ireo vahiny izay manaraka akaiky ny toe-draharaham-pirenena. Tsy nandray anjara tamin’izany fakan-kevitra izay tsy fantatray izany ihany koa izahay, hoy hatrany ny fanazavana voaray avy amin’ny mpitarika ny KFIM, Rabevahiny Elia. Ny KFIM izay anisan’ireo nandray anjara tamin’ny fihaonana tamin’ny SADC taorian’ny fanoloran’ny fitondrana ny tetiandron’ny Fikaonandoham-pirenena sy ny fifidianana, araka ny fanazavana voaray hatrany.

Vous aimerez aussi