Rahampitso sabotsy no hanatanterahana ny famaranana ny laolao baolina kitra iadiana ny amboaran’ny Filohan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM). Eny amin’ny kianjan’i Paul Minault, eny Androhibe no hanatontosana izany.
Ny maraina manomboka amin’ny 8 ora no hanaovana ny lalao ampahefa-dàlana ary tontosaina ny tolakandro avy hatrany ny lalao famaranana.
Taranja 4 moa no hotanterahina amin’io rahampitso io dia ny kitra lalaovin’olona 7, ny basket-ball, ny volley-ball ary ny tsipy kanetibe.
Mba hahalavorary ny fahafinaretan’ny rehetra dia misy ihany koa ny lalao samihafa hatao eny an-toerana, izay azon’ny rehetra handraisana anjara. Ankoatr’izany dia hisy ny mpanakanto ara-pilazantsara hanao fitoriana an-kira mba hahamaro ny fialamboly ho an’ny rehetra. Noho izany, hisy ny sakafo maro isan-karazany, izay azon’ny rehetra tonga eny jifaina amin’ny vidiny mirary.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.