Azon’ny mpankafy baolina kitra malagasy hojerena mivantana amin’ny televiziom-pirenena (na TVM) ireo lalao baolina kitra miisa 52 hatao mandritra ny CAN na ny tompon-dakan’I Africa 2019, izay hatao any Ejypta, manomboka ny 21 Jona ho avy izao.
Fantatra izany nandritra ny fitsofan-drano ny Barea, ekipam-pirenena Malagasy hiatrika izany lalao goavana izany, ny alahady lasa teo, teny amin’ny kianja “complexe sportif de football” eny Andralanitra.
Nandritra izany fotoana izany ihany koa no nanoloran’ny Filoham-pirenena vola mitentina 700 tapitrisa Ar ho an’ireto mpilalao ireto, ary nanomezan’ny masoivoho koreana tatsimo baolina azy ireo. Tsy nanadino ny nitondra am-bavaka azy ireo ihany koa moa I Père Pedro, izay notronin’ireo vahoakan’Andralanitra tonga marobe teny an-kianja.
Mitentina 500 000 Euros
Vola mitentina 500 000 euros na 200 tapitrisa Ar any ho any no ho lanin’ny fitondram-panjakana amin’izao fahazoantsika mijery mivantana ny CAN 2019 izao.
Natao izany noho ny ekipam-pirenena Malagasy sambany handray anjara amin’ny lalao goavana tahaka izao, sy noho ny fitiavan’ny maro ity taranja ity.
Ny antenain’ny maro dia ny tsy hisian’ny delestazy mandritra ny fotoana rehetra tokony hijerena ny lalao, izay hifarana ny 19 Jolay, mba hisian’ny fahafinaretana ho an’ny mpijery rehetra.
Mpilalao 23
Anio 11 jona tolakandro no ho fantatra ireo mpilalao 23 amin’ireo 26 hisolon-tena ny Barea amin’ity CAN 2019 ity. Etsy amin’ny Galaxy Andraharo no hanambaran’ny mpanazatra, Nicolas Dupuis ireo telolahy tsy ho lany amin’izany. Mbola hiatrika fanomanan-tena ka hanao fihaonana ara-pirahalahiana amin’I Maoritania ity ekipa Malagasy ity ato ho ato.
Marihina moa fa efa nifanandrina tamin’ny ekipan’I Luxembourg ka nanao ady sahala 3 no 3 ny Barea, ary resin’I Kenya 1 no tsy misy kosa taorian’izany.
Ny 22 Jona kosa no hifanandrina amin’ny ekipan’I Ginea ny Barea, amin’izao CAN andiany faha-32 izao.
Mpitsara lalao 56 no hitsara ity CAN 2019 ity. 26 amin’ireo no mpitsara afovoany, ka manana solontena amin’izany koa ny Malagasy. Nahazo fiofanana tany Maroka izy ireo ary mbola homena izany anio, any Ejypta.
Ramanana

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.