Tsy ny sehatr’asam-pihariana toy ny varotra ihany no iharan’ny fakana tahaka sy ny fanaovana dika mitovy fa dia efa hita soritra tanteraka any amin’ny tontolon’ny kanto ihany koa izany ankehitriny. Toa zary lasa « Mpanakanto mpaka tahaka » ny ataon’ny hafa fotsiny ny maro amin’ireo misalotra ity anarana maha be voninahitra nefa mitaky adidy sy andraikitra goavana ity. Ho gaga ve isika mianakavy raha toa ka mitotongana andro aman’alina ny lentan’ny kanto malagasy. Azo ambara, araka izany, fa sakana lehibe ho amin’ny fampiroboroboana ny mozika malagasy ny fisian’ireo « Mpaka tahaka » malaina hamorona na koa tsy manana talenta ho amin’izany mihitsy. Tsy hitera-bokatsoa na oviana na oviana ho an’ny habaky ny kanto malagasy ny fakana tahaka sy ny fanaovana dika mitovy fa takian’ny vanimpotoana mandrakariva ny asa famoronana manaraka ny fenitry ny kanto. Raha io no imasoana sy ilofosan’ireo mpanakanto malagasy dia ho azo tanterahana tokoa ilay hoe : « Kolontsaina fanoitra ho amin’ny fampandrosoana ».
