KOMITY MIARO NY TOLONA : Tokony henjehina ireo tsimatimanota...

Ny Komity Miaro ny Tolona na ny KMT dia nanambara fa rehefa nanao ny tsy mety ny tsimatimanota dia tokony henjehin’ny fitsarana. Tsy tokony havela handositra any ampitan-dranomasina ireo fanetriben’ny tany noho izany. Tsy natao ho fialokalofan’ny olon-dratsy ny KMT. Ny KMT dia vonona ny hiara-hisalahy ny amin’izay mety ho fandraisana ireo soso-kevitra rehetra entina hanatsarana ny amin’izay fiarovana ny tolona izay. Vonona ny hanolo-tanana ny amin’izay fitarainan’ireo olona maro samihafa ihany koa ny KMT. Miantso izay rehetra vonona ny hiaro ny tolona ny KMT ka hanatevin-daharana izany. Tanjona ny hanohy ny tolona efa natomboka, araka ny fanazavana voaray. Tonga nanatitra taratasy teny amin’ny minisiteran’ny Atitany ny Mpitarika ny Komity Miaro ny Tolona mba hampijoroana ara-dalàna ny fikambanana.

Vous aimerez aussi