KOMITY MITANDRO NY FAHITSIANA – “CSI” : Iray amin’ireo rafitra miisa 5 miady amin’ny ady amin’ny kolikoly eto Madagasikara

Ny Komity Mitandro ny fahitsiana na ny « COMITE POUR LA SAUVEGARDE DE L’INTEGRITE – CSI » dia rafitra natokana hiady amin’ny kolikoly. NY « CSI » na ny « SNLCC » talohan’ny taona 2006 araka izany no rafitra nametraka ireo rafitra rehetra miady amin’ny kolikoly toy ny « BIANCO », ny « SAMIFIN » sy ny « PAC » ary ny « ARAI ».

Teo ihany koa ny Fitsarana manokana misahana ny raharaha kolikoly. Izy io izay mbola tsy nahaleo tena tamin’izany fotoana izany dia napetraka ny « PAC » tamin’ny taona 2016 izay nohatsaraina tamin’ny 2021 dia ireo no rafitra ankehitriny miady amin’ny kolikoly izay misy ny « CSI », ny « BIANCO », ny « PAC » sy ny « ARAI » ary ny « SAMIFIN ». Ny “CSI” araka izany dia iray amin’ireo rafitra miisa dimy miady amin’ny ady amin’ny kolikoly eto Madagasikara. Ny « CSI » dia tsy rafitra andrasana hiady amin’ny kolikoly, hanao fanadihadiana sy asa fisorohana eny anivon’ny ministera sy ireo rafi-panjakana hafa satria efa manana ny rafitra manokana misahana izany ny rafitra rehetra miady amin’ny kolikoly eto Madagsikara toy ny « BIANCO », ny « PAC » sy ny « SAMIFIN » ary ny « ARAI ».

Ny « CSI » dia rafitra strategika kokoa izay mamolavola kokoa ny paikadim-pirenena hiadiana amin’ny kolikoly. Ny « CSI » no tompon’andraikitra amin’ny fandraisana ireo mpitaraika rehetra miady amin’ny kolikoly eto Madagasikara. Ny tale jeneralin’ny “BIANCO”, ny mpandrindra nasionalin’ny “PAC”, ny tale jeneralin’ny “ARAI” sy ny “SAMIFIN”. Ny “CSI” no tompon’andraikitra amin’izany ary ny lalàna momba ny ady amin’ny kolikoly aza dia mbola milaza ihany koa fa ny “CSI” miaraka amin’ireo mpikambana ao aminy dia manana fahefana hanala ny tale jeneralin’ny “BIANCO”. Hafa mihitsy araka izany ny asan’ny “CSI”, ny andraikitry ny “CSI” amin’ny lafiny hoe: izy no minatoka ny mampahaleo tena ireo rafitra rehetra ireo. Misy antoka maro amin’ny hahafahany manao izany.

Ny anjara asan’ny “CSI”

Asan’ny “CSI” ny resaka fanaraha-maso sy fizohiana ary ny fanaovana tomban’ezaka ny ady amin’ny kolikoly eto Madagsikara. Io fanaraha-maso sy fanaovana tomban’ezaka io izay mizara roa. Eo aloha ny fanaovana ny fanaraha-maso sy ny fanaovana tomban’ezaka ny ady amin’ny kolikoly amin’ny ankapobeny eto Madagasikara. Na ireo rafitra miady amin’ny kolikoly na ireo ivelan’ireo rafitra ireo satria ny ady amin’ny kolikoly dia ataon’ny rehetra izay vao hahazoana vokatra izany hoe: na ny ministera na ny fiaraha-monim-pirenena na ny sehatra tsy miankina dia tsy maintsy maidy amin’ny kolikoly. Ny “CSI” no mandrefy sy manao ny fanaraha-maso ary ny fanaovana tomban’ezaka. Ny “CSI” ihany koa dia manana iraka manokana amin’ny fanaovana fanaraha-maso sy ny fanaovana tomban’ezaka ho an’ireo rafitra miady amin’ny kolikoly toy azy.

Ny “CSI” izany dia manana iraka manokana amin’ny fanaraha-maso sy ny fanaovana tomban’ezaka amin’ny “ARAI”, ny “PAC” sy ny “BIANCO” ary ny “PAC . Ny “CSI” araka izany no mandrindra amin’ny lafiny fampiharana ilay paikady. Ny “CSI” no mametraka ny asan’ny “PAC” sy ny “ARAI” ary ny “BIANCO”. Tsy miditra amin’ny anjara asan’ireo rafitra ireo anefa ny “CSI” satria mahaleo tena tsirairay avy ireo rafitra ireo amin’ny fitantanana sy ny fampadeahanana ny asany. Eo amin’ny fampiharana ny paikady sy ny ady amin’ny kolikolky amin’ny ankapobeny dia mandrindra ny “CSI”. Anjara asa fahatelon’ny « CSI » ihany koa ny manome torohevitra ho an’ireo rafitra rehetra na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana mikasika ny fanjakana tsara tantana sy ny ady amin’ny kolikoly. Izy io dia voalazan’ny lalàna mifehy sy ny rijateny rehetra mametraka ny “CSI”.

Ny “CSI” dia manana izay anjara asa izay mba hahafahan’ny “CSI” misehatra teny anivon’ireo sehatrasa an’ny fanjakna na tsy miankina amin’ny fanajkana amin’ny fomba hanatsarana ny fomba fiasa mba tsy hisian’ny tsy mety any anatin’izy ireo. Tanjona ny hampanjakana ny fanjakana tsara tantana sy ny fanjkana tan-dalàna. Ny “CSI” izay rafitra ao anatin’ny Fiadidiana ny Repoblika. Izany hoe: amin’ny mahampanolotsaina azy dia izy no manolo-tsaina ny filohan’ny Repoblika amin’ny lafiny fanatsarana sy fampandehanana ady atao amin’ny kolikoly eto Madagasikara. Ankoatra ireo dia mbola manana asa hafa sahaniny ihany koa ny “CSI”. Komity Mitandro ny fahitsiana dia iray amin’ireo rafitra dimy (05) miady amin’ny ady amin’ny kolikoly eto Madagasikara.

Vous aimerez aussi