LALAM-BAOVAO TSARASAOTRA : Ho esorina ireo mpivarotra amoron-dalana

Mitombo isa hatrany ireo mpivarotra manamorona ny lalam-baovao Tsarasaotra izay mampitohy ny renivohitra amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Mety hitera-doza ho an’ireo mampiasa ny lalana ny fisan’izy ireny koa tsy maintsy halana. Misy rahateo ny lalàna mifehy ny moron-dalana izay tsy voahaja raha ny zavamisy eny an-toerana ankehitriny.

Halana anatin’ny fifampidinihana

Iaraha-mahalala fa anatin’ny fotoan-tsarotra tanteraka ny Malagasy amin’izao fandalovan’ny covid- 19 izao. Antony mahatonga ny fitomboan’isan’ireo mpivarotra amoron-dalana eny Tsarasaotra ihany koa izany.

Manoloana izany, hisy ny fifampidinihana hataon’ny avy eo anivon’ny Minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy miaraka amin’ireo kaominina manodidina ity lalam-baovao ity hitadiavana toerana hamindrana ireo mpivarotra amoron-dalana. Tsy mbola hisy, araka izany, ny fanalana avy hatrany ireo mpivarotra raha tsy efa hita sy tomombana ny toerana hametrahana azy ireo. Nahavelom-bolo ireo mpisehatra amin’ny varotra amoron-dalana ny fanapahan-kevitra noraisin’ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny ny asa vaventy sy fanajariana ny tany. Mila mitandrina hatrany kosa anefa ireo rehetra mpampiasa iny lalana iny hisorohana ny loza mety hitranga.

Vous aimerez aussi