Afaka misento tokana ireo Ray aman-dreny manan-janaka hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC ! Efa tontosa amin’ny antsakany sy andavany ny fandrafetana ireo laza adina ho an’ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC.
An-dalana ihany koa ankehitriny ny fanapariahana izany eny anivon’ireo ivon-toeram-panadinana manerana ny nosy sy ny fizarana ny taratasy fiantsoana ireo mpiadina, rehefa, voafaritra ny datim-panadinana. Nanamafy indray, araka izany, ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena fa hisy soa aman-tsara ny fanatanterahana ireo fanadinana ara-panjakana amin’ity taom-pianarana ity.
Tomombana ireo fanomanana
Mbola anatin’ny hamehana ara-pahasalamana tanteraka ny Malagasy ankehitriny. Hisy fitomboany, araka izany, ny isan’ireo efitrano hanatanterahana ireo fanadinam-panjakana tahaka ny CEPE sy ny BEPC mba hahafahana manaja ny fepetra ara-pahasalamana. Hitombo isa ihany koa ireo mpampianatra sy mpandraharaha hisahana ny fanaraha-maso ny fizotran’ny fotoam-panadinana.
Tsy maintsy hisy fisondrotany ihany koa ny teti-bola hoenti-manatanteraka ireo fanadinam-panjakana. Nanantitra hatrany ireo tomponandraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena fa tsy misy ny olana ho amin’ny fiatrehana izany. An-dalana amin’ny famolavolana ny fomba hanatanterahana ny adina ara-panatanjahatena ho an’ireo hanala ny fanadinana BEPC ihany koa izy ireo ankehitriny. Inoana fa afaka mifantoka bebe kokoa amin’izay ho amin’ny fiatrehana izany ireo mpianatra sy Ray aman-dreny na eo aza ny hamehana ara-pahasalamana.
