LEHIBEN'NY FARITRA ANALAMANGA MPISOLO TOERANA : "Madio izahay miditra eto ary madio ihany koa izahay mivoaka eto"

“Madio izahay miditra eto ary madio ihany koa izahay mivoaka eto. Hiroso amin’ny fanaovana fitsirihana ihany koa izahay. Hiady amin’ny kolikoly sy ny fanararaotam-pahefana. Hijoro amin’ny marina satria izay no nitolomana”. Ireo no anisany nivoitra tamin’ny fandraisam-pitenenan’ny Lehiben’ny Faritra Analamanga mpisolo toerana vaovao, Clémence Raharinirina, raha nandray ny toerany, teny Ambohidahy, ny zoma 26 desambra 2025. Fotoana izay nanatontosana ny fifamindram-pahefana teo aminy sy ny mpitantana vonjimaika teo aloha, ny Faritra Analamanga. Tsy tonga niatrika ity fotoana ity ny Lehiben’ny Faritra Analamanga teo aloha, Hery Rasoamaromaka. Ny Lehiben’ny Faritra vaovao izay misolo toerana dia voatendry nandritry ny Filankevitry ny Minisitry ny alatsinainy 22 desambra 2025.

Vous aimerez aussi