Mpino kristiana ny Lehiben’ny Faritra Boeny mpisolotoerana, ka dia tonga nanatrika ny lamesa fankalazana ny Pentekosta tao amin’ny Katedraly katolika tao Mahajanga Be, ny tenany, ny alahady lasa teo. Araka ny fanambarana dia tsy mitsahatra alefan’ny CCO Boeny ny mikasika ny ady amin’ny fiparitahan’ny Coronavirus ary hita fa nipaka ny hafatra rehetra tamin’ireo mpivavaka tao amin’ny Katedraly, ny alahadin’ny Pantekoty teo. Samy nanao arovava sy orona avokoa ny rehetra. Nanaja ny elanelana 1 metatra isaky ny dabilio ny mpiangona ary nisy ny fanadiovana tanana tamin’ny “gel désinfectant” nialohan’ny nidirana tao am-piangonana.
Nitsidika ny toerana fitsangatsanganana
Rehefa avy eo, dia nidina ifotony nanao fisafoana teny amin’ireo tora-pasika ny tenany, sao misy ihany ireo minia mandika lalàna, ka nandeha nitsangatsangana teny amoron-dranomasina. Hitany teny an-toerana anefa, fa nanaja ny fepetra avokoa ny vahoaka rehetra ary manao ny asany ara-dalàna ihany koa ny mpitandro filaminana.
