Fampisehoana miisa roa no hatolotry ny “Louvto Company” amin’io volana martsa 2026 io, hatramin’izao. Voalohany amin’izany, ny fampiaraham-peon’ny mpanakanto miisa roa, i Denise sy i Shyn. Amin’ny alalan’ilay lohahevitra manao hoe : “Hiara-dia”, eny amin’ny CCI Ivato, ny 8 martsa 2026.
Fampisehoana faharoa, ny fankalazan’ny tarika Mahaleo ny faha-55 taona niakarany an- tsehatra. Ao anatin’ilay lohahevitra manao hoe : “Fihavanana tsy ravan’ny taona” no hanomezan’izy ireo fahafaham-po ny mpankafy amin’izany, ny alahady 1 martsa 2026, eny amin’ny CCI Ivato, araka ny fanazavana voaray.


