LYCEE PRIVE FJKM ANTANAMBAO FAHAZAVANA AMBOHIMANGAKELY : Sekoly mampiaty, tsy mialon-jafy

Anisan’ny mampiavaka ny Sekoly FJKM Antanambao Fahazavana Ambohimangakely, niorina ny taona 2010. Ahitana kilasy mianga amin’ny « Garabola » ka hatrany amin’ny kilasy famaranana ny fanoloran’izy ireo ny « fanabeazana mampiaty ». Midika fa tsy mialon-jafy, tsy manavaka ireo Olombelona tolorana fanabeazana ombam-pampianarana ny sekoly izay ahitana mpanabe miisa roa ambiny telompolo ankehitriny.

Anisan’ny misitraka ny fanabeazana omen’ny sekoly, araka izany, ireo manana fahasembanana ara-batana na ara-tsaina izay hita fa mbola manana fahafahana hiatrehana ny fanabeazana sy ny fampianarana. Mandray an-tanana azy ireo ny mpanabe izay efa niatrika fiofanana manokana amin’ny fomba entina mampita ny fampianarana amin’ireo manana fahasembanana. Ny foto-drafitrasa eo anivon’ity sekoly izay efa namboarina manokana ho afaka handray ireo mpianatra manana fahasembanana. Nomarihan’ny Talen’ny sekoly Ranomenjanahary Navelaniaina Désiré fa manampy ireo ankohonana sahirana ara-pivelomana nefa te hampiana-janaka ao amin’izy ireo ny avy eo anivon’ny Fiangonana. Amin’ny maha sekolim-pinoana ny Sekoly AFA misy ny fampianarana ny tenin’ny soratra masina. Misy ny toeram-pisakafoana ho an’ireo mpianatra lavi-podiana. Tsy hadinon’izy ireo ihany koa ny fanabeazana ireo mpianatra amin’ny sehatry ny asa tanana, mozika, fianarana teny vahiny, informatika, tenin’ny tanana sns.

Tsy diso anjara fa misy ihany koa ny fanoloran’ny sekoly ireo toro-lalana ho amin’ny fomba fitaizana sy ny fanabeazana ireo ankizy ho fanampiana ireo Ray aman-dreny amin’ny alalan’ny fisian’ny « Ecole des parents » Ny hamolavola « Olom-banona feno » ara-panahy, saina ary vatana mba hananan’ny firenena hoavy mamiratra, araka izany, no antom-pisian’ny Sekoly FJKM Antanambao Fahazavana Ambohimangakely Avaradrano. Ny « fianarana » rahateo no lova tsara indrindra ho an’ny Taranaka.

Vous aimerez aussi