Tsy nitsahatra namolavola fomba fiasa vaovao mba hahazoana vokatra avo lenta hatramin’ny taona 1970 izay niforonany ny ozinina “Société d’Exploitation des Sources d’Eaux Minérales d’Andranovelona” na ny (SEMA). Tokantrano miisa 70 sy mponina maherin’ny 1.300 any amin’ny fokontanin’Andranovelona araka izany no hampisitrahan’ity ozinina ity tombontsoa amin’ny alalan’ny famatsiana rano fisotro madio sy fanadiovana ara-pahasalamana mba hanatsarana ny fiainan’izy ireo.
Nandritra izay 55 taona izay ihany koa dia nanome fahafaham-po ny mpanjifa tamin’ny alalan’ny fanatsarana hatrany ny rano fisotro “Eau vive” izay vokariny ity ozinina ity. Antony itanany ny laharana voalohany ankehitriny eo amin’ny tsenan’ny rano fisotro. Mahatratra 110.000 isan’andro ny isan’ireo tavoahangin’ity rano fisotro ity no tsinjaraina any amin’ireo toeram-pivarotana maherin’ny 25.000 isa manerana ny Nosy. Hita eny amin’ireo tsena rehetra eto Madagasikara araka izany ny rano fisotro “Eau vive” izay nahazo ny fankasitrahana noho ny hatsaran’ny kalitaony sy ny fandraisany anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Lasa marika tsy azo ialana eo amin’ny andavanandron’ny Malagasy amin’izao fotoana izao ity rano fisotro novokarin’ny ozinina “SEMA” ity noho ny fanoloran-tenany hampisotro izany rano fisotro madio sy tsara kalitao izany. Manohy hatrany ny fanavaozana sy ny fanitarana ary ny fampitomboana isa mba hamaliana ny filàn’ny mpanjifa ny ozinina “SEMA”. Natomboka amin’ny fandraisana sy ny famokarana ary ny fitehirizana ny loharano izany mba hanaraka ny fenitra amin’ny fizotran’ny asa rehetra. Noho ny fanaraha-maso hentitra sy ny fahaiza-manaon’ireo mpiasa dia nahazo mari-pankasitrahana iraisam-pirenena toy ny “ISO 9001”, ny “ISO 14001” sy ny “ISO 45001” ary ny “FSSC 22000” ny ozinina “SEMA”. Izany indrindra ihany koa no nanoloran’ny “Monde Selection” izay vondrona mahaleo tena manamarina ny fanombanana ny kalitaon’ny vokatra maneran-tany ny “Grand Gold Award” ny marika “Eau vive”.
Ankoatry ny ozinina SEMA eny Andranovelona dia manatanteraka asa sosialy sy fampandrosoana ara-toekarena ihany koa ny orinasa STAR izay misy ny ozinina SEMA. Amin’ny alalan’ny fandraisana andraikitra ara-piarahamonina “RSE” no hanatontosan’ny orinasal STAR izany. Ny orinasa STAR izay mametraka fotodrafitrasa ilain’ny mponina, isan-taona, araka ny fanazavana voaray.
