Notafihana sy novonoina tamin’ny fomba feno habibiana Ranorovao Hélène, ny alahady lasa teo. Olona manana anjara goavana eo anivon’ny Fiangonana Loterana Malagasy izy.
Teny amin’ny làlana avy any amin’ny FLM Ambohibao no nanaovan’ny jiolahy ny asa ratsiny.
Maherifon’ny Fiangonana
Vehivavy Maherifon’ny Fiangonana sy ny firenena izy, hoy ny Dr. Pastora Rakotonirina David.
Na dia efa misotro ronono aza izy dia mbola mikely aina amin’ny asam-piangonana hatrany. Mbola nanao ny asany tamin’ny maha-mpandika teny azy izy, satria nisy vahiny norveziana niara-nivavaka tao amin’ny FLM Ambohibao, io alahady io.
Niala tao am-piangonana izy tokony ho tamin’ny 1 ora sy fahefany teo ary nikasa ho any amin’ny Tonian’ny FBL.
Notafihan’ny jiolahy anefa izy ary novonoina tamin’ny fomba tena feno habibiana sy mahamenatra ary mahatsiravina tanteraka.
Araka ny fanambarana nataon’ity Filohan’ny FLM ity hatrany dia mbola hita teo amin’ny tendany ny tady namonoana azy. Ary maty teo ilay maherifon’ny Fiangonana, mpiady amin’ny zon’olombelona noho ny herisetra mahatsiravina nihatra taminy.
Efa nisy ny herisetra hafa
Teo aloha dia efa nisy tompon’andraikitra ambony misahana ny fananantany teo anivon’ny FLM ihany koa no novonoina tahaka izao.
Koa miantso vonjy amin’ny Fitondram-panjakana ny Fiangonana manoloana izao toe-javatra izao mba hampanjakana ny fandriampahalemana.
Rahoviana vao hitsahatra ity fanafihana amin’ny fomba mahatsiravina ity, hoy ny Pastora. Ny iray notafihana tamim-basy tao an-tranony dia nalatsa-drà. Ny iray notafihana tamin’ny antoandrobe ka notaperina ny ainy.
Antso avo ho an’ny Filoham-pirenena
Koa voatery izahay manao antso avo amin’ny mpitandro filaminana, hoy ny Pastora, mba hisian’ny filaminana eto amin’ny tany sy ny firenena. Tokony henjehina tsy misy fepetra ireo andian-jiolahy, izay manapitra ain’olona amin’ny fomba feno habibiana tahaka izao.
Miantso ihany koa ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Filoham-pirenena izahay mba hanatanjahana ny fiarovana ny ain’olona sy ny fananany.
Ranorovao Hélène moa dia Tonian’ny Fikambanam-behivavy Loterana ary mpikatroka mafana fo eo anivon’ny FAVPM.
Niavaka izy satria vehivavy teolojiana voalohany teo anivon’ny Fiangonana ary miady amin’ny zon’ny vehivavy sy ny herisetra mianjady amin’izy ireo.
Efa misotro ronono izy kanefa mbola ao anatin’ny tanjaka afaka manao ny asam-piangonana hatrany.
Izahay mpiara-miasa eto amin’ny Agence Malagasy de Presse dia maneho fiaraha-miory amin’ny fianakaviany sy ny Fiangonana FLM noho ny famoizany ny maherifony.
