Ny hanandratra avo ny lazan’i Mandritsara eo amin’ny lafiny hira sy ny mozika tsy eto an-toerana ihany fa hatrany Dilambato no antom-pisian’ny Tranom-pamokarana «Diamant record » ity farany izay niorina ny fiandohan’ny volana febroary lasa teo. Nomarihan’i Aydine Achiraf Gaëtan izay angady nananana sy vy nahitana ny «Diamant record » fa maro mpanan-talenta vao misandratra eo amin’ny sehatry ny hira sy ny mozika i Mandritsara saingy olana ho azy ireo ny enti-manana sy ny tsy fahampian’ny traikefa ho amin’ny famelarana sy fampahafantarana ny talenta ananan’ny tsirairay mba hahafahana miroso ho amin’ny sehatra maha matihanina.

Atrikasa avy hatrany tamin’ny alalan’ny fanatanterahana ny « Grand casting », tany Mandritsara, ny 21 sy ny 22 desambra dila teo no nentin’ny «Diamant record » nanehoana ny fahavononan’izy ireo hanabe voho ny tontolon’ny mozika sy hanampy ireo hita fa manan-talenta ao Mandritsara. Niisa fitompolo ireo nandray anjara tamin’ity fifantenana ity. Efatra mianadahy ireo voafantina ka hisitraka fanohanana sy tolo-tanana avy amin’ny « Diamant record » mba hizotra ho any amin’ny sehatra maha mpanakanto matihanina azy. Nohamafisin’i Aydine Achiraf Gaëtan, Tale jeneralin’ny « Diamant record » fa vinanasan’izy ireo goavana ho amin’ity taona 2025 ity ny fandraisana an-tanana ireo voafantina tamin’ity fantina ity. Zandry kaja, Suzannah ary i R. Clovis samy mpanakanto efa matihanina no niantsoroka ny lafiny fitsarana izay natao tao anatin’ny fangaraharahana. Marihana fa misy ireo mpandray anjara voafantina « Mpiandry toerana » miisa dimy hasolo ny iray amin’ireo efatra voafantina raha sanatria misy ny sampona eo aminy. Fiaraha-miasa tamin’ireo orinasa sy ireo Olombelona tsara sitram-po ao Mandritsara no nahafahana nanatanteraka ity « Grand casting » ity.
