Noho ny fanatsaran’ny orinasam-pifandraisan-davitra “Yas Madagascar” hatrany ny tolotra omeny ny mpanjifa ao anatin’ireo “Reseaux mobiles” dia matanjaka ny tambajotran-tseraseran’ity orinasam-pifandraisan-davitra ity hatramin’izay ka hatramin’izao. Izany indrindra no antony nanosoran’ny Iraisam-pirenena azy ho orinasam-pifandraisan-davitra malagasy mendrika indrindra tamin’ny taona 2024 ka nandrombahany ny amboara “Award nPerf 2025”.
Ny “Award nPerf” dia mari-pankasitrahana Iraisam-pirenena atolotra ireo tambajotram-pifandraisan-davitra manana kalitao tsara indrindra ao amin’ny firenena iray. Ny asa vitan’ity orinasam-pifandraisan-davitra ity mandavan-taona izay mitombo hatrany mba hanakaikezany ny mpanjifa. Anisan’izany ny fanatsarana sy ny fanamboarana ireo fotodrafitrasan’ny fifandraisan-davitra mba ho vina apetraka amin’ny fampandrosoana ny lafiny teknolojia. Ny orinasam-pifandraisan-davitra “Yas Madagascar” izay nampiasa vola mitentina 800 tapitrisa euros tamin’ny taona 2024 mba hanatsarana hatrany ny fomba fiasa ka izao nahazoana vokatra goavana izao.
Tafakatra 98 isan-jato ny fandrakofan’ny orinasam-pifandraisan-davitra “Yas Madagascar” ny tambajotra 4G eto Madagasikara raha efa afaka misitraka ny tambajotra 5G ireo tanàn-dehibe toa an’Antananarivo, Antsirabe, Toamasina, Mahajanga, Fianarantsoa, Toliara, Fort-Dauphin sy Diego ary Nosy-Be. Ity fandrakofana ny 5G ity izay vao nahazoan’ny ny “Axian Telecom” famatsiam-bola 100 tapitrisa dolara avy amin’ny Banky Eoropeanina momba ny fampiasam-bola (BEI). Izy io izay hanitaran’ity orinasam-pifandraisan-davitra ity ny eto Madagasikara sy ny any Tanzanie. Ny ezaky ny orinasam-pifandraisan-davitra “Yas Madagascar” izay tsy hijanona eo fa mbola hitohy hatrany mba hanorenana ho avy “connecté” tsara kokoa, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny orinasam-pifandraisan-davitra “Yas Madagascar”, Benoit Janin.
Nisaotra manokana ireo ekipa rehetra niara-nisalahy tamin’ny fahazoana ity amboara “Award nPerf 2025” ity, ny tale jeneraly lefitra ara-teknikin’ny “Yas Madagascar”, Randrianasolo Andrianirina Joel. Teo anelanelan’ny 1 aprily 2024 ka hatramin’ny 31 martsa 2025 no nanatontosan’ny Iraisam-pirenena ny fanadihadiana ny orinasam-pifandraisan-davitra “Yas Madagascar” ka izao nahazoan’izy ireo fahombiazana tanteraka izao, araka ny fanazavana voaray hatrany teny amin’ny foiben-toeran’ny orinasam-pifandraisan-davitra “Yas Madagascar” Andraharo.
