MC DINAH : « Mozikan’ny fo no voiziko »

Mc Dinah, tsy misaraka amin’ny gitara.

Ny « Mozikan’ny fo » izay takarina avy amin’ireo trangam-piaraha-monina tetsy sy teroa no arafitr’i Mc Dinah hanjary kanto an-kira. Ny « Mc » izay adika tsotra amin’ny hoe : « Ny foko » (Mon cœur). Mampiavaka an’i Mc Dinah ny fampiasana mandrakariva ny gitara entina handravahana ny feo somary mikasoka nefa kanto ananany. Efa nilona an-taonany maro teny anivon’ny antoko mpihira i Mc Dinah ary miangaly ny « Capoera » izay dihy sy fanatanjahatena avy any Brezila. Manan-talenta amin’ny famoronana tononkira koa izy ary mahafehy ny tenim-pirenena Italiana, Espanola ary ny Anglisy ankoatry ny tenindreny.

Ho an’i McDinah ny hizara hafatra mampahery ho an’ireo mila izany noho ny onjam-pianana no antony ikirakirany ny mozika. Tsy nataony an-kilabao ihany koa anefa ny fitaomana ireo manam-panahy hifikitra mandrakariva amin’ilay Andriamanitra nahary. Ny gadona reggae, rap ary ny jazz no akora fototra ampiasain’i Mc Dinah handrafetana ny mozika lalaoviny. Tsikaritra anatin’ny tononkiran’ity mpanakanto andriambavilanitra ity ny fampiasana ny « Tenin-jatovo » sy ny tenim-paritra. Mozika natao ho henoina hisintonana sy hanovozan-kery hiatrehana ny fiainana ary sokajiana anatin’ny « vazo miteny » saingy narindra amin’ny endriny hafa kely ny kanto voizin’i Mc Dinah.

Ny « I have a dream » sy ny « masôva ». Ireo no amphany amin’ireo sangansany efa maro mpankafy. Amperiny ho amin’ny fiketrehana ny kapila mangirana laharana voalohany, hivoaka amin’ny taona 2022 ankehitriny, i Mc Dinah, izay misokatra malalaka amin’ny fiaraha-miasa ho an’izay vonona hanabe voho ny mozika malagasy.

Vous aimerez aussi