Miantso ny vahoaka ao Toamasina ho tony ary manentana azy ireo hanaraka ireo fepetra ara-pahasalamana napetraky ny fitondram-panjakana ny ministry ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy no sady ministra “coach” any amin`ny faritanin`i Toamasina, Naharimamy Lucien Irmah. Nohamafisiny fa ilaina ny fiaraha-mientana mba ahafahana mifehy ny aretina covid19. “Iaraha mahalala fa aretina tsy manjary ny aretina nefa tsy ho vitan`ny fanjakana irery no hiady amin`izany raha tsy manampy azy isika mponina. Ialantsika ny savorovoro fa tokony hiditra amin`ny fanarahana ny fepetra amin`izay mba ho vita malaky toy ny faritra Matsiatra ambony io aretina tsy manjary io, ka afaka mifamezivezy sy mifamangivangy”. Mahakasika ny fiahian`ny mponina amin`izao fihibohana izao dia nanambara ny minisitra fa hiezaka hitady ny vahaolana ara-tsosialy ho an`ny mponina izay voakasiky ny fepetra izy. “42 000 ny tokantrano no nisitraka ny Tosika Fameno tao amin`ny faritra Atsinanana ary 30 000 ireo nahazo Vatsy Tsinjo, ankoatra ireo nomen`ireo mpiara-miombon`antoka miara – miasa amin`ny ministeran`ny mponina sy ireo malala-tanana toy ny Ben`ny tanàna sy ny governora”.
