Mpanakanto vao erotrerony, zanaky Mananara avaratra ary lehibe tany Toamasina i Désiré. Nisafidy ny handalina manokana ny fikirakirana ny gadona mihetsika izay voasokajy anatin’ny mozika tropikaly ny tovolahy. Mampiavaka an’i Désiré ny fisian’ny hafatra mafonja sahaza ny isam-batan’olona any anatin’ireo tononkirany, izay hasehony amin’ny alalan’ny endrika hatsikana mba ho mora raisin’ireo mpankafy. Ny famolahana “ny Salegy no fototra ijoroan’ny mozika lalaoviko”, hoy i Désiré. Nolaroina gadona Vahiny toy ny avy atsy Afrika atsimo izy ireny mba ho afaka hisedra vanimpotoana maro mifandimby.
Tsanganasan’i Désiré nahababo mpankafy maro ny “Misy farany raha jiaby” Ity farany izay aingam-panahy nipololotra taorian’ny toe-draharaham-pirenena nisy teto amintsika farany teo. Nanterin’i Désiré hatrany fa tsy matahotra fifaninanana eo amin’ireo samy Mpiangaly ny mozika tropikaly ny lehilahy noho ny ezaka ataony mandrakariva hahakanto sy ho meva ireo vazony. Misokatra malalaka ho amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo Mpanakanto, mpikarakara hetsika rahateo izy. Vazo navoakan’ity Mpanakanto havanana amin’ny famoronana tononkira ity ny “Paracétamol” Tsanganasa nojariany ho fiatrehana ny fetin’ny faran’ny taona mba ahafahan’ny rehetra mitsinjaka.
Hivelatra miandalana ho amin’ny hilalaovana gadon-kira milamina ny Tarika ho amin’ny Taona 2026 Hisy, araka izany, ny famoahana hiram-pitiavana. Nampanantena ny hanolotra ny kanto sy hampianjaika ny meva hatrany ho an’ireo mpankafy azy i Désiré. Ny laharana 034 38 980 94 sy ny 033 04 544 27 no ahafahana mitafa mivantana amin’ireo Désiré Mpanakanto mpanabe sady mpanala Voly.


