« Rehefa tsy afaka hanome fanampiana anay ny « fanjakana » dia takianay izao dia izao ny handoavany ny tambin-karamanay ny taon-dasa teo, tamin’ny fanatanterahana ireo fanadinam-panjakana ». Io no fanambarana nataon’ireo mpampianatra miasa amin’ny sekoly tsy miankina.
Nanamafy hatrany ireto mpampianatra amin’ny sekoly tsy miankina ireto fa roa volana izy ireo no tsy niasa intsony ary tsy nandray karama. Tsy nisy mihitsy, araka izany, ny fidiram-bola ho azy ireo. Mahatsiaro tena ho kamboty velon-dray aman-dreny ireo mpampianatra misehatra eny anivon’ny toeram-pampianarana tsy miankina noho ny tsy mba hijeren’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena azy ireo manoloana ny olana ara-tsosialy ateraky ny fihibohana noho ny hamehana ara-pahasalamana. Omaly, vao mba nahenoana feo ny minisitry ny fanabeazam-pirenena fa efa an-dalana ny fandinihana ny famahana ny olana mianjady amin’ireo mpampianatra tsy miankina. Nambarany ihany koa anefa, fa manana ny sata manokana mifehy azy ny mpampianatra miasa amin’ny sekoly tsy miankina. Andrasana, araka izany, izay ho fepetra ho raisin’ny minisitera mpiahy ny fampianarana hoentina hanampiana ireo mpampianatra amin’ny sekoly tsy miankina izay efa latsaka anatin’ny fahasahiranana lalina.
