MPANAKANTO « RIJ’ART » : Milalao sy mandalina ny « Mozika miaina sy misy fanahy »

Ny taona 2018 no nanombohan’i Ranomenjanahary Rija, nikirakira ny taranja mozika. Ny fankafizana ny kanto vokarina amin’ny alalan’ny famolahana ny « Feo » hivazo ny tononkira izay jariana amin’ny fampiasana ny « Soratra » no nahatonga ahy nisafidy ilay solonarana hoe : « Rij’Art », hoy ny tovolahy.

« Mozika miaina misy fanahy », izany hoe : mahafehy ny famaritana ny « Kanto » izay maneho mazava fa tokony hahatety vanimpotoana maro ny laza izay ananan’ireo tsanganasan’ireo mitonona ho « Mpanakanto » koa hitoetra hanjary vakoka sarobidy ho enti-manabe sy mitaiza ary ho fialam-boly feno natao ho an’ny Ambanilanitra rehetra. Ireto farany (Mpanakanto) ihany koa tokony ho azo halain-tahaka amin’ny lafiny tsara eny anivom-piaraha-monina. Io no azo isokajiana ny mozika lalaovin’i Rij’Art. Tsapa ho mirona kokoa amin’ny fanomezana lanja manokana ny fampiasana ireo zavamaneno maivana toy ny gitara tsotra, korintsana sy ireo forongony miaraka aminy ny tovolahy ary tsy manao ho ambanin-javatra ny lafiny famoronana tononkira mitaiza, manabe ary mampita hafatra sahaza ilay « Fanahy » ananan’ny Malagasy. Eo amin’ny lafiny ban-kira, mivelatra amin-gadona maroloko (Milamina, mihetsika, sns) izy fito mianadahy mandrafitra ny tarika « Rij’Art » ankehitriny. Voaporofon’i Rij’Art indray, araka izany, fa « tsy misy sisintany ny mozika » ary azo atao tsara ny mivelatra amin’ny filalaovana azy ireny.

Anisan’ny tsanganasan’i Rij’Art maro mpankafy ilay vazony nivoaka ny taona 2024 « Ngôma ». Manasongadina ny hanina sy embona ny Tanindrazana rehefa any an-tany lavitra. Manetsika sy mamoha indray ny tokony hananana ny fitiavan-tanindrazana noho izy sarobidy loatra. Nandimby ny « Ngôma » ilay vazo mirakitra fitiavana ngeza makadiry eo amin’Olon-droa nisalotra ny lohateny hoe : « Ianao no mahalala » nivoaka ny volana febroary ny taona 2024 ihany. Nomarihan’i Rij’Art fa ny fahombiazana nentin’ity tsanganasa ity noho izy be mpankafy tao anatin’ny fotoana fohy no naosika azy hanohy hatrany sy hiroso lalina amin’ny fikirakirana ny mozika. Rahampitso, alin’ny Zoma 14 martsa ; etsy amin’ny « No comment Bar », Isoraka no hian-tsehatra izy fito mianadahy mandrafitra ny tarika no haneho ny voka-kantom-pikarohana noketrehan’izy ireo. Ankoatry ny fivazoana eny an-toerana ireo tsanganasan’ny tarika dia hisy ihany koa ny findramana ny kanton’ireo mpanakanto hafa amin’ny maha « Cabaret » ny hetsika. Any Ampefy kosa ry « Rij’Art » no hankalaza ny fetin’ny Paska amin’ny alalan’ny fanatanterahana seho goavana. Marihana fa Zanak’Itasy zato isan-jato i Ranomenjanahary Rija « Rij’Art ».

Vous aimerez aussi