Fatiantoka goavana no zakain’ireo mpano hiragasy ankehitriny vokatry ny tsy fahafahan’izy ireo manatanteraka ireo adin-kiragasy tokony hataon’ireo tarika, mandritra ny fotoam-piasany. Raha tsiahivina, ny volana martsa hatramin’ny oktobra, izay vanimpotoanan’ny main-tany no fotoam-piasana ho an’ny tarika mpanao hiragasy.
1 000 000 Ar hatramin’ny 1 200 000 Ar isan’andro no tokony miditra amin’ny tarika mpanao hira gasy iray efa manana ny maha izy azy. Manatanteraka adin-kiragasy iray isanandro ny tarika malaza iray ka ao anatin’ny valo volana no tokony hanatanterahany izany. Nafoy avokoa anefa izany noho ny hamehana ara-pahasalamana izay mitarika amin’ny fihibohana tsy ahafahana manatanteraka fampisehoana hiragasy an-kianja.
Marihana fa miisa manodidina ny 40 ireo mpikambana mandrafitra ny tarika mpanao hiragasy iray. Mamelona fianakaviana maherin’ny 10 eo ho eo izy ireo. Ny vola azo avy amin’ny fanaovana hiragasy no hoentina hiantsorohana ny fiainana andavanandron’izy ireo toy ny fikarakarana ny fambolena sy fiompiana, fianaran’ny ankizy, sns.
Vonona hanaraka ny fepetra, mila tohana
Vonona ny hanaraka ireo fepetra napetraky ny fanjakana ireo tarika mpanao hiragasy mivondrona eo anivon’ny Federasionan’ny mpanao hiragasy saingy manaitra ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina mba hikaro-bahaolana ahafahana manampy azy ireo, ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana izao. Ankoatra ny olana ateraky ny covid- 19 ankehitriny. Mbola vato misakana amin’ny fampiroboroboana sy fampitiavana indray ny hiragasy ny tsy fisian’ny kianja voatokana ahafahana maneho ny hakantony sy ny soatoavina raiketiny.
