MPANJIFA “MVOLA” : 15 tapitrisa ny isan’izy ireo tao anatin’ny 15 taona nisiany

Nandritry ny 15 taona (2010-2025) nisian’ny “MVola” teto Madagasikara dia efa mahatratra 15 tapitrisa ihany koa amin’izao fotoana izao ny mpanjifan’ity orinasa mikirakira ny vola nomerika eto amintsika ity. Ireo mpanjifa ireo izay miparitaka manerana ireo tanàn-dehibe sy ambanivohitra. Efa zo fototry ny tsirairay ny fisitrahana ny tolotra ara-bola nomerika ka mbola notohizan’ny “MVola” ihany izany hatramin’izao.

Antony tsy nitsaharan’ny “MVola” manitatra ny ambaindahin’ny orinasa tao anatin’izay 15 taona niorenany izay. Ity orinasa “MVola” izay voalohany misehatra eo amin’ny fikirakirana ny vola nomerika eto Madagasikara ity izay. Miisa 50. 000 ireo “Cash point” eo amin’izay fifanakalozam-bolan’ny vola nomerika izay eto amin’ny Nosy raha miisa 10.000 ireo mpivarotra antsinjarany. Ny fifanakalozam-bolan’ny vola nomerika izay tsy ilaina afa-tsy ny finday ihany ka tena tsotra sy azo antoka. Mamaly ny filàn’ny mponina tsirairay ihany koa ireo tolotra aroson’ny “MVola”. Antony hahatokisan’ny mpanjifa azy ireo. Manaporofo izany ny isan’ireo mpanjifa efa nampiasa ny “MVola avance” na fakam-bola mialoha ankehitriny izay efa mahatratra 3,5 tapitrisa. Mahatratra ny 32 tapitrisa ny fanomezana vola natao mialoha. Nihoatran’ny 1,1tapitrisa ireo mitahiry vola amin’ny kaonty “épargne”. Antony nanolorana azy ireo ny mari-pankatoavana “GSMA Mobile Money” amin’ny lafiny fifanakalozam-bola amin’ny finday, manome toky ity orinasa ity. Ankoatry ny fikarakarana ny mpanjifa eo amin’ny fikirakirana ny vola nomerika dia mitondra ny anjara birikiny eo amin’ny lafiny ara-tsosialy eto Madagasikara ihany koa ny “MVola”. Manaporofo izany ny nanoloran’izy ireo tanana ireo olona marefo maherin’ny 200. 000 isa, ny taona 2024. Io fanampiana io izay nitsinjovana ny krizy na ihany koa nanohanan’ny “MVola” ireo sahirana ara-pivelomana ireo izay niarahany tamin’ireo mpiara-miombon’antoka samihafa.

Kianja ara-panatanjahan-tena miisa 17 araka izany no voatsangan’ny “MVola” ao anatin’ilay tetikasan’ny “Mihetsika”. Ny “MVola” izay niaraka tamin’ny Malagasy hatrany hatramin’izay satria nipetraka ny fifampitokisana eo amin’ny roa tonta, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny “MVola”, Louis -Olivier Favot.

Vous aimerez aussi