MPIASA SY SENDIKAN'NY MINAE : Miroso amin'ny fitokonana faobe

Miroso amin’ny fitokonana faobe ao anatin’ny 48 ora ireo mpiasa sy sendikan’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana na ny MINAE, araka ny fampahafantarana notontosain’izy ireo, ny alatsinainy 9 martsa 2026, teny Ampandrianomby. Anton’izao fitokonana faobe izao, ny olana izay mbola tsy nahitam-bahaolana ao amin’ity ministera ity. Anisan’izany olana izany ny fitakian’ny mpiasan’ny MINAE, ny “Direction Générale Elevage” sy ny “Direction Générale Agriculture”. Eo ihany koa ny fitakian’ny Sendikan’ny Mpiasan’ity Minisitera ity sy ny Mpiasa ny “Fanavaozana tena izy” ao amin’ny MINAE. Mitaky fitantanana madio ny mpiasa sy ny sendika ao amin’ny MINAE, araka ny fanazavana voaray.

Vous aimerez aussi