« “Délégués du personnel – Comité d’entreprise Société Vitaplast” – Mitaky ny fanajana sy fampiharana ny Didim-pitsarana – Hajao ny lalàna velona eto Madagasikara ». « Ity orinasa ity no mpanakorontana ny mpiasa sy ny tontolon’ny arak’asa eto Madagasikara – Ampy izay ny didy jadona sy ny ramatahora ary ny tsindry hazo lena. Hajao ny lalàna ampy izay ». Ireo no sora-baventy manemitra ny vavahady sy ny tambohon’ny orinasa « Vitaplast » eny Anosizato Andrefana, tamin’ity zoma 16 may 2025 ity.
Anton’izao fametrahana sora-baventy izao ny tsy faneken’ireo mpiasa ao amin’ity orinasa ity ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ny filoha tale jeneralin’ity orinasa « Vitaplast » ity amin’ireo mpiasa ao aminy. Ireo mpiasa ireo izay nalefa « chômage technique » efa ho dimy volana izao hany ka tena miaina ao anaty fahasahiranana tanteraka na izy mpiasa na ireo vady aman-janany. Nisy ny raharaha nifanolanan’ny mpampiasa sy mpiasa ao amin’ity orinasa « Vitaplast » ity ka nampiakatra izany teny amin’ny Fitsarana. Namoahan’ny Fitsarana didy, izany raharaha izany, ny 3 septembre 2024. Nivoaka mpandresy ireo mpiasa tamin’izany. Niakatra Fitsarana indray izany taty aoriana ka mbola nandresy indray ireto mpiasa ireto rehefa nivoaka ny didim-pitsarana mahakasika ity raharaha ity, ny zoma 2 mai 2025.
Tsy nampiharin’ny mpampiasa anefa ireto didim-pitsarana nivoaka ka tsy manaiky ihany koa ireto mpiasa nahazo ny rariny teny amin’ny Fitsarana ireto. Hanohy ny tolona hatrany araka izany ireto mpiasan’ny orinasa « Vitaplast » ireto mandra-pivalin’ny fitakian’izy ireo indrindra fa mandra-pahazoan’izy ireo ny zo tokony hositrahany. Manaitra ny fitondram-panjakana ihany koa ireto mpiasa ireto mba hijery akaiky izao zava-misy ao amin’ity orinasa « Vitaplast » ity satria dia efa mahatratra aman-jatony ireo mpiasa hiharan’ny tsindry hazolenan’ny mpampiasa izao, araka ny fanampim-panazavana voaray.
