Hitohy anio eny amin’ny fasan’ny karana ny hetsika hataon’ireo mpisehatra eo amin’ny fitaterana, amin’ny zotra rezionaly sy ny zotra nasionaly. Tsy mitaky fanampiana intsony izahay, fa mangataka ny hanokafana ny fitaterana mankany amin’nyfaritra. Avelao hiasa amin’izay izahay, fa efa ambivitra ny hanohanana sy ny tsy fisian’ny vola hohanina intsony, ireto mpisehatra amin’ny fitaterana ireto.Vonona ny hanaja ny fepetra ara-pahasalamana izahay, fa aleo hisokatraamin’izay ny asa fitaterana hataonay, hoy hatrany izy ireo. Nambaran’izy ireo hatrany, fa hitety ireo toby fiantsonana hanentana ireo namany ireto mpisehatra amin’ny fitaterana etsy amin’ny fasan’ny karana ireto, mba hiray hina, satria tanjona iray no tratrarina dia ny hanokafana ny zotra fitaterana, hoy hatrany izy ireo.
