MPIVAROTRA AMORON-DALANA AMBOHIMANGAKELY SY MAHAZO : Mitera-doza ho an’ireo mpandeha an-tongotra

Hatreto aloha dia rakotra mpivarotra amoron-dalana ny andaniny roa amin’ny lalam-pirenena faharoa mihazo an’i Toamasina izay mamakivaky ny Kaominina Ambohimangakely. Vokany, ambava loza hatranin’ireo fiarakodia maro mampiasa iny lalana iny ireo mponina eny an-toerana. Manao antso avo ho amin’ny fikaroham-bahaolana ho amin’ny famindrana toerana ireo mpivarotra amoron-dalana ny mponina eny an-toerana.

Efa maro ireo niharan-doza, noho ny fahateren’ny sisin-dalana izay feno mpivarotra nefa tokony ho ampiasain’ireo mpandeha an-tongotra. Tsy ny eny Ambohimangakely ihany no misedra olana nohon’ny fisian’ireo mpivarotra amoron-dalana fa miaina izany koa ireo mampiasa ny ampahan-dalana eny Mahazo sy Soamanandrariny. Rakotra mpivarotra ireo sisin-dalana havia sy havanana eny an-toerana. Inoana fa handray ny andraikitra tandrify azy my eo anivon’ny Kaominina Ambohimangakely. Adidin’izy ireo tokoa mantsy ny mandamina ny Tanana. Ankhitriny mbola sahirana amin’ny fanadiovana sy ny fanatsarana ny by pass ireo tompon’amdrsikitra rehetra eo anivon’ny Kaominina Ambohimangakely. Ho tonga vahiny dia mila miomama e !

Tsy laharam-pahamehana ve izany ny fitandroana ny ain’ireo mponina eny Ambohimangakely noho ny fibahanan’ireo mpivarotra amoron-dalana ny faritra tokony hampiasain’ireo mpandeha an-tongotra. Ireto farany izay manan-jo feno hampiasa ny Lalam-pirenena faharoa tahaka ireo mpivarotra amoron-dalana izay tsy manara-dalana tanteraka ny fivarotana amoron-dalana izay ataon’izy ireo. Ho sahy handray andraikitra ve ny ben’ny tananan’Ambohimangakely Dokotera Naina manoloana ny toe-draharaha sa hinia mikipy manoloana ny loza mitatao sy mihatra amin’ireo mponina izay iadidiany ?

Vous aimerez aussi