Mpivarotra an’arivony no very asa amin’izao hamehana ara-pahasalamana izao, noho ny fandravana trano lehibe iray etsy Analakely izay ahitana mpivarotra maro ao anatiny. Noravana avy hatrany ity trano lehibe iray ity, fa voalaza fa tsy ara-dalana ny nananganana izany toerana izany. Nambaran’ireo mpivarotra tsy manan-kaleha ireto anefa, fa efa nahazo alalana hanorina ity trano sy tsena lehibe iray ity, tamin’ny mpitantana ny tanàna teo aloha izy ireo ary nandoa hetra sy nandoa vola ara-dalana tamin’izany. Nefa rehefa tonga ny mpitantana vaovao dia nandray izao fepetra sy fandravana ny tsenan’izy ireo izao, fa nolazaina fa tsy manara-dalana ny fanorenana izany. Maro amin’ireo mpivarotra no mivelona amin’ity asa fitadiavana ity, ka ao no mandoa vola hofa-trano sy jiro ary sara-pianaran’ny mpianatra, sns…, nefa dia izao very asa izao izy ireo. Manao antso avo amin’ny filohampirenena Andry Rajoelina izy ireo, satria izahay mpivarotra no nifidy anao, ka jereo amin’izao olana sedrainay izao, hoy hatrany ireto mpivarotra ireto. Tsy hanaiky izao fandravana trano sy tsena efa nitsangana izao ireto mpivarotra, fa hampiakatra ny raharaha ary hitory eny amin’ny fitsarana, raha ny fanazavan’izy ireo hatrany.
