“Trio Magique” no fampisehoana atolotr’i Niu Raza sy Reko Band ary Nate Tex, eny amin’ny CCI Ivato, ny alahady 4 may 2025. Ity fampisehoana hiarahan’izy telo mianadahy ity izay hiangalian’i Niu Raza sy Reko Band ary Nate Tex, ny seho atolotr’izy ireo, ny mpankafy sy ny mpijery. Manaporofo izany ny fanomanan’izy ireo ny famerenana izay iarahan’izy ireo amin’ny mpitendriny avy.
Fotoana mamy tsy hanam-paharoa ho an’ireto mpanakanto ireto sy ny mpankafy ary ny mpijery araka izany io fotoanan’ ny alahady 4 may 2025. Hiavaka araka izany ity fampisehoana voalohany hiarahan’izy telo mianadahy ity noho ny fiaraha-mihiran’izy ireo eny ambony sehatra. Eo ihany koa ny fitambaran’izy telo mianadahy ireto mihira miaraka amin’ireo hira nahafantarana azy ireo avy. Fe-potoana manokana tsy hisy fiafarany ihany koa ity fotoana ity satria dia hiankina amin’izay fankafizan’ny mpijery azy eo ny faharetan’ny lanonana.
Ankoatra ireo dia hisy “surprise” manokana atolotr’izy ireo ny mpankafy sy ny mpijery. Sambany sy sangany raha bangoina tokana ity fampisehoana mitondra ny lohateny hoe: “Trio magique” izay hiarahan’i Niu Raza sy Reko Band ary Nate Tex ity, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra ao amin’ny “Louvto Company”, izay mpikarakara ny fampisehoana.
