Raikitra ! Ny tolakandron’ny Alahady 06 aogositra ho avy izao, etsy Antsahamanitra, no hanatanteraka rindran-kira, i Njila sy i Poopy. Seho tohin’ireo hetsika entin’i Poopy nanamarika ny faha- 40 taona nihirany izy ity, hoy ny « Evencia production » mpiketrika ny fampisehoana.
« Tamberin-kira an-tsehatra » Io no lohahevitra iompanan’ny fampisehoana. Hitamberina eny Antsahamanitra avokoa, araka izany, ireo karazana fihetseham-po sy fientanana nisy tany amin’ny 40 taona lasa rehefa nandre ireo sanganasan’i Njila izay matetika niarahany nikalo tamin’i Poopy mandrakariva. Nomarihan’ny mpikarakara fa ho matihanina tanteraka ny fampisehoana. Anisan’izany ny fampiasana fanamafisam-peo, jiro sy hazavana raitra sy matanjaka izay iarahana miasa amin’ny « Sonate ». Hiantsoroka ny haingo an-tsehatra ny « Sandrify ». Anisan’ny fampiaraham-peo nanana ny maha izy azy ary mbola mitoetra mandraka ankehitriny ny fiarahana mihira eo amin’i Njila sy i Poopy. Nameno izany ihany koa ny tononkira tsara rafitra nojarian’i Njila. Maro ireo efa tsindrian-daona fatratra miandry ny higadonan’ny alahady 06 aogositra higohana indray ny fahafinaretana sy hanembonana ny lasa ahafahana miatrika ny ankehitriny sy hibanjina ny hoavy amin’ny alalan’ny fanjifana ny kanto hozarain’i Njila sy i Poopy, etsy Antsahamanitra. Ny masoandro maty no hampalahelo !
