FIKIRAKIRANA NY MOFOMAMY Miala any ny « Salon de la pâtisserie »

Ny Chef Rakotomalala Mamihery, nandalina manokana ny tontolon’ny mofomamy.

Ho fanamafisana sy fampitomboana hatrany ny fifandraisana misy eo amin’ireo mpisehatra amin’ny fikirakirana mofomamy toy ireo mpanamboatra izany, ireo sekoly mampiofana, ireo mandraharaha amin’ny fivarotana ireo fitaovana fanamboarana mofomamy ary ireo mpamokatra sy mpanafatra ireo akora fototra. Ireo mitambatra no nanosika an’i Chef Rakotomalala Mamihery « Mamihery pâtissier », hanatanteraka ny « Salon de la pâtisserie. Hisokatra amin’ny Alakamisy 27 hatramin’ny 29 jolay, etsy amin’ny Cercle Franco-Malagasy, Anosy.

Dingana lehibe ho amin’ny fampivoarana ny sehatry ny asa fanamboarana mofomamy ny hetsika tahaka itony noho izy toy ny banja malalaka ahafahana mifanakalo haizatra sy traikefa eo amin’ireo rehetra mpisehatra amin’ny fikirakirana ny mofomamy. Tanjona napetraky ny mpikarakara rahateo ny hametrahana fifanohanana bebe kokoa izay miseho amin’ny endrika fiaraha-miasa matotra eo amin’ireo mpikirakira ny mofomamy hisarika ho any amin’ny fandrosoana mirindra.

Hampiavaka ny « Salon de la pâtisserie », andiany voalohany ity ny hanasongadinana amin’ireo mpanjifa fa azo atao tsara ny mampiasa ireo vokatry ny tany eto Gasikara amin’ny fanajariana mofomamy. Tsongaina amin’izany ny fampiasana ny lafarinina azo avy amin’ny mangahazo. Marihana fa efa misehatra amin’ny fampianarana ihany koa i Chef Rakotomalala Mamihery. « Mila zaraina amin’ny Malagasy ny fahaizana norantovina teny anivon’ny INTH, hoy izy mba ahafahan’ny rehetra mamorona asa ho an’ny tenany ». Olana sedrain’ireo mpanao mofomamy ny fisian’ny endrika ampihimba eo amin’ny fanafarana ireo akora fototra ampiasaina. Manginy fotsiny ny « kibay an-kelika » eo amin’ireo samy mpisehatra izay mitarika fifandrafiana tsy mitera-bokatsoa.

Vous aimerez aussi