NOSY MANODIDINA : Miditra an-tsehatra ny diplaomasia parlemantera

Miditra an-tsehatra ny diplaomasia parlemantera ny amin’ny hametrahana ny nosy Glorieuses ho valanjavaboaharim-pirenena. Nanambara ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, Christine Razanamahasoa, fa “minia mandray fanapahan-kevitra azy manokana na “décision unilatérale” tsy niaraha-nidinika tamin’ny fitondram-panjakana Malagasy ny frantsay raha manao izany. Tsy hanaiky mora foana izany anefa ny mpitondra tenin’ny vahoaka izay soloin’ny solombavambahoaka tena.” Raha tsiahivina dia efa nisy didim-panjakana noraisin’ny fanjakana frantsay mahakasika ireo nosy ireo ary nolaniana ihany koa tao anivon’ny parlemanta frantsay izany. Raha ny fizotran’ny raharaha dia miroso amin’ny diplaomasia parlemantera ny fifampiresahana. Azon’ny parlemantera Malagasy atao amin’ny alalan’ny birao maharitra no mandefa taratasy any amin’ny parlemanta frantsay na hatramin’ireo parlemanta “francophone aza”. Andrasana izay ho paikadin’ireo depiote raha hisy tolon-dalàna arosony. Hatreto aloha dia tsy mbola misy daty mazava ny amin’ny fifampidinihana faharoa voatondro fa tokony hatao any Frantsa. Nanova zavatra maro ihany koa moa ny fisian’ny valanaretina Coronavirus maneran-tany.

Vous aimerez aussi