NOSY SAKATIA : Kiaka sy Ahiahy !

Manoloana ny tetika ratsy hialan’ny mponina ao amin’ny Nosy Sakatia, izay trandrahan’ny orin’asa Green Mada Land sy ireo mpiara-dia aminy ao amin’ny Fitondrana, dia nanao fihoanana tamin’ny mpanao gazety ireo solontenan’ny mponina, hotronin’ny OSC, mpiombon’antoka amin’ny Fiaraha-monina ny alatsinainy teo, tetsy Ambatonakanga.

Mazava ny lalàna nivoaka tamin’ny 2019, fa foana ny fanomezan-dàlana an’ny Green Mada Land hanorina hotely lehibe ao Sakatia. Tsy manaiky anefa izy ireo fa mitady làlana hatrany hanohy ny heviny ary tohanan’ny fitondrana ankehitriny, indrindra moa fa ny Ben’ny tanàna ao Nosy Be. Manao ny antsonjay hialàn’ny mponina rỳ zareo ahazoana manorina ny asany hanao tranobe handraisam-bahiny raitra dia raitra.

Tsy manaiky anefa, etsy an-kilany ny mponina Sakatia, tompon’ny tany hatry ny ela, efa ho roanjato taona izao. Ao ny mponina no mamboly sy miary, mianatra sy mivelona, ary afaka mandray vahiné ihany koa.

Tsy mazava ny tetika hataon’ny Green Mada Land hoy ireto mponina ka miantso an’ireo mpiombon’antoka amin’ny fiara-monina izy ireo handamina sy hijery akaiky ny toe-draharaha. “Efa tsy rariny intsony” hoy ny kiaka avy amin’ny mponina.

Inona no hiafaran’ity raharaha ity? Ny Green Mada Land tohanan’ny mpitondra, ny mponina tsy hiàla amin’ny tanindrazany. Aiza ny rariny sy ny hitsiny ?

Vous aimerez aussi