Nitondra fanazavana mahakasika ny olana ao amin’ny orinasa JIRAMA, ny Solombavam-bahoakan’ny Distrikan’Ikalamavony, Rakotoniaina Pety. Nambarany fa tsy voatery ny tale jeneralin’ny orinasa JIRAMA izay karamaina volabe ihany no sakana amin’izao olana eo anivon’ny orinasa JIRAMA izao fa mety ho avy amin’ireo mpiasa ihany koa. Misy amin’ireo mpiasan’ny orinasa JIRAMA sy ireo mpitondra fanjakana ihany koa no nangalatra. Antony mahatonga ny orinasa JIRAMA tsy ho tafarina mihitsy amin’izao fotoana izao. Amin’izao fitondram-panjakana izay mikatsaka fanovana izao dia tokony holazaina ny mangarahara entina hanarenana ny orinasa JIRAMA. Hahalalana ihany koa izay lesoka teo aloha. Teo amin’ny fitantanana ve sa inona marina no mahatonga ny orinasa ho potika ? Tanjona ny hisitrahan’ny mponina fahazoana jiro sy rano. Io tsy fisitrahan’ny rehetra jiro sy rano io no antony nahatonga ny hetsi-bahoaka farany teo, araka ny fanazavan’ny Solombavabam-bahoakan’ny Disitrikan’Ikalamavony, Rakotoniaina Pety.


