Distrika iray anisan’ireo betsaka biby fiompy omby ny any Antanimora Atsimo. Ny omby izay tsy maintsy tsindronina vaksiny amin’ny vidiny Ar 2.000 isaky ny enim-bolana. Tsy zakan’ny mponina any an-toerana anefa ankehitriny io vidin’ny tsindrona vaksiny Ar 2. 000 io ka mangataka ny hampidinana izany ho Ar 1.000, ny Solombavam-bahoaka voafidy tany amin’ity Distrikan’Antanimora Atsimo ity, Baba Tea Longo. Fangatahana izay napetraky ny Solombavam-bahoaka, tamin’ny Ministry ny Fambolena sy ny fiompiana. Misy ny omby no tsy atao vaksiny akory kanefa mandoa ilay vola Ar 2.000 ihany isaky ny enim-bolana. Mavesatra ho an’ireo mponina any an-toerana araka izany ity vidim-baksiny ity. Ankoatra izay dia mangataka ny mba hahazoana Veterinera mifanaraka amin’izay ilain’ny mponina any an-toerana ny Solombavam-bahoakan’ny Distrikan’Antanimora Atsimo. Tsy misy Veterinera any an-toerana amin’izao fotoana izao. Olon-tsotra araka izany no miandraikitra ny fanindronana vaksiny ny omby. Veterinera takian’izy ireo ny mba manana mari-pahaizana mifandraika amin’ny fiofanana momba izay resaka biby izany.
Faritra tsy misy ny orana
Anisan’ireo faritra tsy misy ny orana ny any amin’ny faritra Androy. Antony mampanano-sarotra ny fambolena. Manana tolo-kevitra sy tolo-dalàna ny amin’izany ny Solombavam-bahoaka voafidy tany amin’ny Distrikan’Antanimora Atsimo, Baba Tea Longo. Ny handatsahana orana artifisialy izay hiatrehana ny asa no atolotry ny Solombavam-bahoaka Baba Tea Longo. Ity tolo-dalàna ity araka izany dia hiarahany miasa amin’ny minisiteran’ny rano, ny minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana mba hamahana ny olan’ny tsy fisian-drano sy ny fambolena. Distrika tsy afa-bela amin’ny resaka valala ihany koa ny distrikan’Antanimora Atsimo. Miteraka olana any an-toerana anefa izany. Ny valala izay mihabetsaka arakaraka ny mahatsara ny taom-pamokarana. Hojerena manokana ny paikady mahakasika izay ho entina hiady amin’ny valala, araka ny fangatahan’ny Solombavam-bahoakan’ny Distrikan’Antanimora Atsimo, Baba Tea Longo. Ny minisitry ny fambolena sy ny fiompiana izay nanambara fa amin’ny herinandro ho avy no hamahana izany olana izany. Vonona ny minisitera hiara-hisalahy amin’ny fanatanterahana izany, araka ny fanambaran’ny Solombavam-bahoakan’ny distrikan’Antanimora Atsimo, Baba Tea Longo. Na tsy nahafa-po ireo Solombavam-bahoaka aza ny famalian’ny minisitry ny fambolena sy ny fiompiana, tao anatin’ny fohy ny fangatahan’izy ireo dia nilaza ny ministra fa hijery ireo olana maro isan-karazany ireo.


