ONG TSARAMANASOA : Mandray an-tanana ny sahirana

Na ny fandraisana an-tanana ireo ankizy sahirana ara-pivelomana na ny fandraisana an-tanana ireo zanaky ny olona nahavita sazy teny amin’ny fonja na ny fandraisana an-tanana ireo vehivavy niharan’ny herisetra dia iantsorohan’ny ONG Tsaramanasoa avokoa. Ity “Centre du jour” izay manana ny foiben-toerany eny amin’ny Hopitaly Itaosy ity dia tantanan’ny filoha mpanorina azy, Ranaivoson Patrice, efa 20 taona mahery izao.

Efa mahatratra 230 amin’izao fotoana izao ny isan’ireo ankizy raisin’izy ireo an-tanana raha mitombo isanandro ny isan’ireo vehivavy mitaraina ao amin’ny ONG Tsaramanasoa amin’ny herisetra mianjady amin’izy ireo. Ity herisetra mahazo ny vehivavy ity izay miseho amin’ny endrika sy antony maro. Anisan’izany antony hampiharan’ny lehilahy ny herisetra amin’ny vehivavy izany ny fivoaran’ny teknolojia sy ny fifohana zava-mahadomelina. Ny tsirairay anefa dia samy tomponandraikitra amin’ny fisorohana izany. Tokony ho sahy hilaza sy hitoroka izany trangan’ny herisetra izany araka izany ireo izay hiharan’izany mba hahafahan’ ny fitsarana sy ireo mpitandro filaminana ary ireo tomponandraikitra maro  samihafa isan-tsokajiny mampihatra ny lalàna. Miara-misalahy amin’ny fikarakarana ny fandraisana an-tanana ireo ankizy sahirana ara-pivelomana sy ireo zanaky ny olona nahavita sazy teny amin’ny fonja ary ireo vehivavy niharan’ny herisetra ireo ny ONG Tsaramanasoa sy ny “Coalition de la Société Civile pour le progrès des Malagasy” na ny (C.S.C.P.M). Na izany aza anefa dia mbola maro ireo tsy ampy ho entina amin’ny fikarakarana ka hanaovan’izy ireo antso avo amin’ireo malalatanana mpiara-miasa rehetra, araka ny fanazavana voaray.

Vous aimerez aussi